Madatopinfo

 Flash Info

FAMBOLEN-KAZO: Mitohy ny ezaka ataon’ny Ministera Lefitra misahana ny Fandrakofan’ala an’i Madagasikara

FAMBOLEN-KAZO: Mitohy ny ezaka ataon’ny Ministera Lefitra misahana ny Fandrakofan’ala an’i Madagasikara

FAMBOLEN-KAZO: Mitohy ny ezaka ataon’ny Ministera Lefitra misahana ny Fandrakofan’ala an’i Madagasikara
novembre 29
10:57 2021

« Tanàna iray, ala iray mba ahafahan’ireo tompon-tanàna misitraka sy mikolokolo ny ala», io no fanamby apetraky ny Minisitra Lefitra misahana ny Fandrakofan’ala an’i Madagasikara, Hortencia Haingosoa Antoinesie nandritra ny atrikasa niarahany tamin’ireo solontenan’ny DREDD isam-paritra sy mpitantana ny faritra arovana manerana ny Nosy ary ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny. Ny zoma 26 Novambra lasa teo no nanatanterahana ity fihaonana ity ny izany teny Ankorondrano. Niompana indrindra tamin’ny fanentanana sy fametrahana lamin’asa moa izany mba entina hanatsarana ny fomba fiasa ary koa hitarihana ny vahoaka Malagasy ho tompon’andraikitra feno amin’ny fambolenkazo, sy famolavolana ny paikady hanatanterahana ny asa. Anisan’ny nivoitra nandritra ny fihaonana ny fahafantarana ireo olana eny ifotony tahaka ny olana ara-tany. Manoloana izany, tsy nitaza-potsiny ny Minisitra Lefitra misahana ny Fandrakofan’ala an’i Madagasikara fa nanolotra vahaolana mifandraika amin’izany. Nanambara ihany koa ny tenany fa misokatra ho an’ny rehetra ny varavaran’ny Ministera iadidiany izay eny Nanisana no foibeny, vonona ny hihaino sy handroso soson-kevitra sy vahaolana hatrany ny tenany. “Asa tsy maintsy hatao ny fandrakofana ala ny Nosy ho fitsinjovana ireo taranaka any aoriana manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro”, hoy ihany ny Ministra Lefitra, Hortencia Haingosoa Antoinesie.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930