Madatopinfo

 Flash Info

COSMOS TANJOMBATO: Hitohy ny fihenam-bidy 80% hatramin’ny 31 oktobra

COSMOS TANJOMBATO: Hitohy ny fihenam-bidy 80% hatramin’ny 31 oktobra

COSMOS TANJOMBATO: Hitohy ny fihenam-bidy  80% hatramin’ny 31 oktobra
octobre 28
08:35 2023

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy 26 oktobra lasa teo ny Cosmos Megastore eny Tanjombato, tranombarotra Cosmos faha-8 eto Antananarivo, faha-18 kosa raha manerana ny Nosy ary faha-2 ao Tanjombato. Nahasarika olona marobe ity fisokafan’ny Cosmos akaikin’ny Leader Price ity, hita taratra izany teny an-toerana satria nitandahatra vao maraina hanjifa ny entana. Na izany aza, nanaraka ny fandaminana avokoa ny mpanjifa rehetra nandritra izany. « Miavaka ny tolotra homanin’ny Cosmos Tanjombato ho an’ny mpanjifa amin’izao fisokafana izao, misy ny fihenam-bidy hatramin’ny 80% hatramin’ny faran’ny volana oktobra izao« , hoy ny tompon’andraikitra misahana ny haino aman-jery eo anivon’ny Cosmos, Felana Ralimina. Isan’ny mahasamihafa ny magazay Cosmos amin’ny hafa ny fanamorana ny fividianana entana amin’ny alalan’ny « Crédit Mirindra » ahafahana mandoa tsikelikely ny entana jifaina ao aminy hatramin’ny 30 volana, raha ny nambarany hatrany.
Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fanomezana isan-karazany natokana ho an’ny mpanjifa nandritra io tontolo andron’ny alakamisy io. Ahitana entana maro be ao an-toerana, saika hita ao avokoa mantsy ny fitaovana fampiasa ao an-dakozia rehetra toy ny vata fampangatsiahina amin’ny habeany sy karazany, fanaka tahaka ny seza sy latabatra fisakafoana, fatana sy ny maro hafa. Misy ihany koa ny fahitalavitra, radio, fera fipasohana, fitaovana fatao ao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny sy fatoriana. Tsy diso anjara ao amin’ny Cosmos Tanjombato ihany koa ireo fitaovana manaraka ny teknolojia vaovao tahaka finday sy solosaina amin’ny marika isan-karazany. Nohamafisin’ny tompon’andraikitra hatrany fa toa ny nahafantarana ny Cosmos hatramin’izay, dia misy ny « service après vente, installation et montage, livraison » ho fanomezana fahafaham-po ho an’ny mpanjifa Cosmos.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930