Madatopinfo

 Flash Info

CNFM: Manohy hatrany ny tolona ho fampiroboroboana ny zon’ny vehivavy

CNFM: Manohy hatrany ny tolona ho fampiroboroboana ny zon’ny vehivavy

CNFM: Manohy hatrany ny tolona ho fampiroboroboana ny zon’ny vehivavy
mars 08
12:25 2021

Isan’ireo mbola mampitaraina ny vehivavy malagasy eny anivon’ny fiaraha-monina eny ny herisetra mianjady aminy sy ny tsy fisitrahana ny harena voajanahary toa ny fananan-tany, eo ihany koa ny tsy fahafahana manana karatany. Manoloana izany dia manana adidy goavana ny CNFM na Conseil National des Femmes de Madagascar. Manabe sy manentana ny vehivavy amin’ny alalan’ny haino aman-jery izy ireo. Raha ny tarehimarika voaray mantsy dia maro ny trangana herisetra amin’ny vehivavy saingy ny 4 % amin’ireo ihany no tonga hatrany amin’ny fitsarana. Manao adisisika amin’ireo Antenimiera roa tonta ihany koa ny CNFM ary hanolotra andalana vitsivitsy hitsinjovana ny zon’ny vehivavy. Nananteraka famelabelaran-kevitra sy fijoroana vavolombelona teny Androhibe moa ny CNFM ny alatsinainy 8 marsa sady fankalazana ny andro iraisampirenena ho an’ny vehivavy. Ankoatra izay, nanao fanambarana miezinezina koa ny fikambanana ho an’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mba : « hijery akaiky ireo vehivavy tantsaha maro an’isa izay miaina any amin’ny tontolo ambanivohitra, hitsinjo manokana ny zon’ny vehivavy malagasy ara-pahasalamana, hanamora ny fahazoan’by vehivavy misitraka ny hareba voajanahary, hametraka paikady mahomby ahazoan’ny vehivavy misitraka ny famatsiam-bola mikasika ireo tyikasa ahazoan’izy ireo fidiram-bola maharitra sy iatrehany ny fiovaovan’ny toetr’andro ».
Ao anatin’ny fanambarana ihany koa ny tokony hanamafisana ny tan-tsoroka atao amin’ny vehivavy tantsaha sy hijery manokana ireo izay voatery mifindra monina noho ny tsy famokaran’ny tany onenany sy ny haintany ka miteraka hanoanana ho azy ireo sy ny zanany. Fotoana izao, hoy ny Filohan’ny Conseil National des Femmes de Madagascar, Estelle Andriamasy ny handraisan’ny vehivavy anjara feno amin’ny fanapahan-kevitra mahakasika ny fitantanana ny harena ara-boajanahary. Eo ihany koa ny hirosoan’ny fanjakana amin’ny fanaovan-tsonia sy fampiharana ireo fifanarahana iraisampirenena izay hampiroboroboana ny zon’ny vehivavy toy ny « Protocole de Maputo ». « Fotoana koa izao hanavaozana ireo politikam-pirenena sy paikady ho fampandrosoana ny miralenta ary ny hampiharana ny lalàna mikasika ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizivavy », hoy hatrany ny Filohan’ny CNFM. Ity fikambanana ity moa dia mijoro hatrany ho mpiaro ny zon’ny vehivavy eto Madagasikara. Tsiahivina fa ny lohahevitra nosafidian’ny firenena tamin’ity fanamarihana ny andron’ny 8 marsa ity dia ny hoe: « Vehivavy mizaka tena sy miarin-doha anaty tontolo iainana mirindra ho amin’ny fampandrosoana lovain-jafy ».

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930