Madatopinfo

 Flash Info

ASA VAVENTY: Hanafaingana ny fomba fiasa ny ministra Jerry Hatrefindrazana

ASA VAVENTY: Hanafaingana ny fomba fiasa ny ministra Jerry Hatrefindrazana

ASA VAVENTY: Hanafaingana ny fomba fiasa ny ministra Jerry Hatrefindrazana
août 20
06:30 2021

Notanterahana ny alakamisy 19 Aogositra teny Anosy ny fanaovan-tsonia ny fitanana an-tsoratra ny fifamindram-pahefana teo amin’ny ministry ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy teo aloha, Hajo Andrinainarivelo, sy ny ministry ny Asa vaventy vaovao, Jerry Hatrefindrazana. Nisongadina nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny ministra teo aloha ny fampahafantarana ireo asa vita nandritra izay fotoana nandraisany ny ministera izay. « Laharam-pahamehana ny fanafaingana ny fomba fiasa, manaraka ny kalitao indrindra amin’ny fanamboarana ireo Lalam-pirenena amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka », hoy ny ampahany tamin’ny lahatenin’i ministry ny Asa Vaventy, Jerry Hatrefindrazana. Nanambara ihany koa ny tenany fa misokatra hatrny ny varavaran’ny ministera ho an’ireo maniry hiara-hiasa rehetra. Nohamafisiny hatrany koa ny fisaorany ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina tamin’ny nanendrena azy ho ministry ny Asa Vaventy izao. Manam-pahefana maro sady solontenan’ny fitondram-panjakana no tonga nanotrona ity lanonana fifamindram-pitantanana ity, ministra, solombavambahoaka ary nanatrika nanditra izany koa ny fianakaviamben’ny ministera roa tonta,

M.R

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031