Madatopinfo

 Flash Info

ANTOKO UNDD: Nanolotra soson-kevitra manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena

ANTOKO UNDD: Nanolotra soson-kevitra manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena

ANTOKO UNDD: Nanolotra soson-kevitra manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena
mars 13
06:58 2021

30 taona izay no nijoroan’ny Antoko UNDD na Union Nationale pour le Développement et la Démocratie, nandritra izay taona maro izay dia nijoro sy nandray anjara tamin’ny fiainam-pirenena hatrany ny antoko. Isan’ny antony goavana nihaonan’ny Antoko tamin’ny mpanao gazety ny zoma 12 marsa teny Ivandry ny fampahafantarana ny UNDD, ny lamina sy ny rafitra ary ireo tompon’andraikitra vaovao hitantana ny Antoko UNDD mandrapahavitan’ny Kongresy Nasionaly manaraka. Fantatra ary fa ny Ministra teo aloha, Manoro Régis no Sekretera Jeneraliny sady Filoha Nasionaly vonjimaika. Miisa 26 mianadahy araka izany no handrafitra ny Birao politika vaovaon’ny UNDD.
Ankoatra izay, nanao fanambarana ihany koa ity antoko ity mikasika ny fahitan’izy ireo ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. « Manao antso amin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Fitondrana izay tarihiny ny Antoko UNDD mba handray ny fepetra rehetra azony atao mba hirosoana amin’izany sy hametrahana filaminana maharitra eto amin’ny firenena sy hampihavanana marina ny Malagasy mba tena hahazoana miroso tsy misy sakantsakana amin’ny asa fampandrosoana », hoy ny Filoha Nasionaly vonjimaika, Manoro Régis. Araka ny fanambarana hatrany dia manao antso avo amin’ny Antoko politika rehetra hiara-hientana hanangana firenena mendrika ny taranaka fara-mandimby. Miantso ny hery velona rehetra ny Antoko UNDD mba hampijoro Repoblika Malagasy vaovao, miray ao anatin’ny fahasamihafana, mitsinjara fahefana, mandroso amin’ny fomba mirindra, mihavana tanteraka ary mahatsiaro fa tena samy Malagasy feno. Ity antoko ity moa dia manainga ny mpikambana sy sampa-mangaikan’ny UNDD manerana ny Nosy mba hijoro sy hanao ho vaindohan-draharaha ny ezaka rehetra ho amin’ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitra. Nanamafy moa ny Antoko Union Nationale pour le Développement et la Démocratie fa tsy vahaolana ny fanonganam-panjakana.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930