Madatopinfo

 Flash Info

ANS AMPEFILOHA: Namoaka mpanabe mpampianatra EPS miisa 156 mianadahy

ANS AMPEFILOHA: Namoaka mpanabe mpampianatra EPS miisa 156 mianadahy

ANS AMPEFILOHA: Namoaka mpanabe mpampianatra EPS miisa 156 mianadahy
février 02
06:11 2021

Mitontongana ny tontolon’ny fanatanjahantena eto Afrika. Raha ho an’i Madagasikara manokana, maro ny mpampianatra taranja EPS (Education Physique et Sportive) no tsy manana mari-pahaizana mikasika izany, eo koa ny tsy fisiana na tsy fahampian’ny fotodrafitrasa ahafahana manao io taranja io hany ka tsy mifanaraka amin’ny fenitra takiana ny kalitaon’ny fampianarana. Raha ny atontan’isa voaray, tsy ampy ny isan’ny mpampianatra EPS eto amintsika satria mpampianatra 1 misahana ankizy 5.600. Raha ny fenitra takiana anefa dia tokony ho mpampianatra 1 ho an’ny ankizy 25 na 30.
Isan’ny vahaolana entin’ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) amin’ny alalan’ny Académie Nationale des Sports (ANS) ny fanolorana fiofanana ho mpanabe mpampianatra taranja ara-panatanjahantena. Naharitra roa taona ny fiofanana ary avy eo nanaraka fianarana asa na « stage » teo anivon’ny sekoly CEG ireo mpiofana. Ny zoma 29 janoary lasa teo no nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny andiany indraimihira misalotra ny anarana « Mendrika » izay nahitana mpanabe mpampianatra miisa 156 mianadahy. Notolorana mari-pahaizana izy ireo nandritra ny lanonana izay notanterahana teny amin’ny ANS Ampefiloha. Ny Tale Jeneralin’ny ANS, Jean Claude moa dia nanamafy fa hameno ny banga eny amin’ny CEG ireo mpampianatra EPS vao nivoaka tamin’ny andinay voalohany ireo. Ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny MJS izay nisolotena ny Ministra Tinoka Roberto ihany koa dia nanambara fa hiditra amin’ny sehatry ny asa avy hatrany izy 156 mianadahy ireo ary tsy hijanona eto Antananarivo daholo akory fa hisandrahaka manerana ny Distrika 119 eto Madagasikara.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930