Madatopinfo

 Flash Info
  • HETSIKA MOMBA NY FITATERANA : « Nahomby ny SITLM andiany fahatelo », hoy ny mpikarakara Mitàna anjara toerana goavana amin’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara ny sehatry ny fitaterana amin’ny alalan’ny fivezivezena na anatiny na mankany ivelany indrindra amin’ny fanondranana entana vokarina eto an-toerana. Andro...
  • PUBLI-reportage UNIVERSITY TECHNOLOGY DTS.LICENCE.MASTER I.MASTER II 038.38.138.38/037.02.037.02/033.33.633.77 Mention : Communication – Gestion. Diplômes agréés, habilités avec la FOP Cours en classe, en ligne, regroupement na mampianatena amin’ny boky Technology and sciences...
  • UNIVERSITY TECHNOLOGY 038.38.138.38 UNIVERSITY TECHNOLOGY DTS.LICENCE.MASTER I.MASTER II MENTION:COMMUNICATION.GESTION Hanohy fianarana ambony, hampiakatra karama sy toerana : reclassement.Cours en classe, en ligne, regroupement, mampianatena @ boky. Diplômes agréés, habilités avec la FOP Technology...
  • Manasa e-SAKAFO 038.33.633.77 VARY SY LAOKA NAHANDRO GASY Sakafo vaovao, madio, tsy misy karbonetra Sur place, emporter, livraison SAKAFO ATOANDRO Zaimaika 26,36 Analakely SAKAFO HARIVA Rond point Andravoahangy...
  • AGENCE RCA 038.33.633.77 RECRUTEMENT : Mitady Lehilahy tantsaha hiasa any amin’ny faritra TSENA TRANO TANY AHOFA na AMIDY  Ahofa TSENA sy trano efitra 2, douche, wc,Ikianja Ambohimangakely 200.000 ariary  TSENA 1...

ANOSIVAVAKA AMBOHIMANARINA: Misokatra etsy amin’ny Dyve Garden ny Telma shop vaovao

ANOSIVAVAKA AMBOHIMANARINA: Misokatra etsy amin’ny Dyve Garden ny Telma shop vaovao

ANOSIVAVAKA AMBOHIMANARINA: Misokatra etsy amin’ny Dyve Garden ny Telma shop vaovao
mai 16
04:58 2023

Mba hamaliana ny hetahetan’ny mpanjifan’ny Telma, nosokafana ny Telma shop etsy amin’ny Dyve Garden Anosivavaka Ambohimanarina. Telma shop faha-31 eto Antananarivo ary faha-76 kosa manerana ny Nosy ity vao nisokatra ity. Ahitana ireo tolotra mahazatra eny an-toerana, toy ny Mbalik sy ny Mvola izay ahafahana misintona na mametraka na ihany koa mandefa vola. Misy karazana finday ihany koa eny, ary azon’ny mpanjifa atao ny mamerina ny « puce » very na simba, mivarotra « puce » ihany koa ity Telma shop vaovao. Raha misy fanamarihana na fanontaniana mikasika ny Telma amin’ny ankapobeny, dia efa misy tompon’andraikitra mandray hatrany ao. Voavaha ao avokoa araka izany ny mety ho olan’ny mpanjifa rehetra.
« Mampiavaka ny Telma shop Dyve Garden Anosivavaka Ambohimanarina ny ora fisokafany, mivoha ny alatsinainy ka hatramin’ny sabotsy manomboka amin’ny 9 ora maraina ary mitohy hatramin’ny 8 ora alina raha toa amin’ny 6 na amin’ny 7 ora hariva no mihidy eny amin’ny Telma shop hafa. Ny alahady kosa amin’ny 9 ora ka hatramin’ny 5 ora hariva raha toa ka hatramin’ny 1 ora tokatrandro izany any amin’ny hafa », hoy ny tompon’andraikitra ara-barotra eo anivon’ny Telma Madagascar, Hajanirina Ramahefarisoa.
Mora tazana ity Telma shop ity, vao miditra ny Dyve Garden dia miroso kely ary mihazo ny ankavanan-dalana no misy azy. Malalaka ny toerana ho an’ireo mitondra kodiaran-droa na fiara, efa misy toerana fiantsonana eny an-toerana ary azo antoka ny lafiny fandriampahalemana.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930