Madatopinfo

 Flash Info

ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY MPONINA : Nomarihana tamin’ny alalan’ny loabary an-dasy ny teto Analamanga

ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY MPONINA : Nomarihana tamin’ny alalan’ny loabary an-dasy ny teto Analamanga

ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY MPONINA : Nomarihana tamin’ny alalan’ny loabary an-dasy ny teto Analamanga
juillet 11
16:30 2022

« Ny firaisan-kina sy ny fampiatiana ara-tsosialin’ny mponina Malagasy », io no lohahevitra ho an’i Madagasikara nandritra ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny mponina izay notanterahana ny alatsinainy 11 jolay manerana an’i Madagasikara fa raha ny teto amin’ny Faritra Analamanga kosa dia teny Ambodivona. Tamin’ny alalan’ny atrikasa an-databatra boribory niarahan’ireo mpiara-miombon’antoka, ny firaisamonimpirebnena ary mpsehatra momba ny mponina hahafahana mamakafaka ireo vahaolana entina mampivoatra ny mponina eto Madagasikara. Voakasika manokana amin’izany ny ankizy, ny vehivavy, ny zokiolona sy ireo olona manana fahasembanana. « Raha ny atontan’isa nivoaka farany mikasika ny fanadihadiana ny isan’ny mponina sy ny trano fonenana eto Madagasikara, 48,5 isan-jaton’ny mponina dia ankizy latsaky ny 18 taona, 33,9 % kosa vehivavy mihoatra ny 12 taona, ny zokiolona maherin’ny 60 taona dia mahatratra 4,5 isan-jato ary 0,6% ny olona manana fahasembanana », hoy ny Ministry ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampivoarana ny vehivavy, Soafilira Princia. Ny tenany izay nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ity fikaonan-doha ity, notronin’ny solontena eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny mpamatsy vola ary ireo mpanohana ara-teknika. Aorian’ity dinika ity, hisy avy hatrany ny fanataterahana ny ventin-kevitra nivoitra hahatrarana ny veliranon’ny Filoham-pirenena mikasika ny mponina eto Madagasikara.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930