Madatopinfo

 Flash Info

AMBAVAHADITOKANA AMBOHIDRAPETO ANKADIMANGA : ONG Merci, miasa amin’ny fampandrosoana ifotony eny Itaosy

AMBAVAHADITOKANA AMBOHIDRAPETO ANKADIMANGA : ONG Merci, miasa amin’ny fampandrosoana ifotony eny Itaosy

AMBAVAHADITOKANA AMBOHIDRAPETO ANKADIMANGA : ONG Merci, miasa amin’ny fampandrosoana ifotony eny Itaosy
juin 15
15:44 2021

« Fampandrosoana mampiaty eny ifotony, dingana famolavolana drafitr’asa sy tetibola mampiaty eny anivon’ny kaomina ». Io no teny filamatry ny fampiofanana an’ireo manana fahasembanana sy mpiantsehatra ary manampahefana eo anivon’ny kaominina Ankadimanga, Ambohidrapeto ary Ambavahaditokana Itaosy. Nifandimby nandray fitenenana tamin’ny lanonam-panokafana, ny talata tapaky ny volana jiona teo moa ny Filoha mpanorina ny ONG Merci, Holiniaina Rakotoarisoa, ny lehiben’ny tetikasa « Voizo Analamanga », Rina Harilanto Rakotovahiny, ny Ben’ny tanana lefitra Ambavahaditokana, Mamy Andrianjafitrimo sy ny an’Ankadimanga.
Ny Ben’ny tanana voafidy tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohidrapeto, Andriantsilavo Mihary Manantena Nalinirina no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fiofanana io marainan’ny 15 jiona io. Maharitra hateloana andro ny fampiofanana izay tanterahina teo Ambohidrapeto.
Anisan’ny ao anaty tetikasan’ny  » Voizo Analamanga » izay fampiroboroboana ny fampandrosoana eny ifotony izao karazam-panatevenam-pahalalana izao. Tafiditra anaty lahadinika ny fampafantarana ankapobeny ny fahasembanana tahaka ny olana ara-pahitana, ara-pihainoana, ara-ratsambatana na vatana. Tanjon’ny fampiofanana ihany koa ny fampiatiana na fampidirana an’ireo manana fahasembanana ireo ho ao anaty fiarahamonina sy rafitra.
Banjinin’ireo mpizaika miisa 42 eny Ambohidrapeto eny koa ny lalàna velona eto an-toerana sy iraisam-pirenena mahakasika ny zon’ny manana fahasembanana. Ny andro roa farany moa dia natokana hiofanana mikasika ny dingana famolavolana ny drafitr’asa fampandrosoana mampiaty sy famolavolana teti-bola eo anivon’ny kaominina. Tsiahivina fa kaominina enina no efa nisitraka ny fampiofanana sy tetikasa sahanin’ny ONG Merci. Anisan’ny efa nigoaka fanatevenam-pahaizana toy izao ny tao Sabotsy Namehana. Ankadikely sy Ambohidratrimo indray no miandry fampitam-pahaizana aorian’izao hetsika fampiofanana teny Itaosy izao.
Jamba tampoka
Indro atolotra etoana ny fijoroana vavolombealona sy ny sedra nianjady an’i Holy izay Filoha mpanorina ny ONG Merci, nampiotra azy teo amin’ny fiainana ka nanangany io ONG io izy voalazany entina hanampiana ireo manana fahasembanana toa azy sy hampitraka azy ireo amin’ny fiainana.
« Nahiratra tsara tahaka ny olona rehetra aho taloha fa nony 7 taona dia lasa tsy nahita tanteraka tampoka teo. Taty aoriana nahita mazava kely sy mba nihanahiratra kely izay entiko mandrak’ankehitriny. Nalefa nanohy fianarana aho tamin’ny fanabeazana fototra na tratran’io olana ara-pahitana io aza ka nazoto nihaino dia nahay .  » Hoy i Holiniaina Rakotoarisoa na Holy, lehibe mpanorina ny ONG Merci nitantara ny olam-piainany ka nampitongilan-tsofina ireo mpizaika. Voalazany hatrany moa fa ny reniny ihany no nampianatra azy ny kilasy T4 sy T5, saingy naharitra efatra taona be izao izy no tao amin’ny kilasy T5 ka efa tadidiny tsianjery avokoa ny lesona rehetra saingy tsy mahita ny laza adina izy rehefa manatrika fanadinana ka tsy afaka nanatrika ny fanadinana CEPE.
Nambarany hatrany fa nihazo ny sekolin’ny jamba tany Antsirabe izy kanefa tsy voaray fa efa feno avokoa ny toerana. Ny telovolana faharoa anefa voaray ihany izy noho ny toerana izay banga tampoka. Fianarana manokana ny fitaovan’ny tsy mahita anefa no natokana ho azy irery vao afaka nanohy ny fandaharam-pianarana niaraka tamin’ireo nanana fahasembanana ara-pahitana tahaka azy izy. Ny ambaratonga faharoa fototra dia tsy misy sekolin’ny jamba eto Madagasikara ka sahirana vao nahatafiditra azy tamina sekoly tsy miankina iray ireo ray aman-dreniny, nanda azy avokoa mantsy ireo mpiandraikitra sekoly. Fahaizana ambony anatin’ny telovolana voalohany no fepeera notakian’io sekolim-pinoana izay nandray azy io ka niezaka fatratra i Holy.
Nanovo fahaizana hatrany an-dafy
Vita soamantsara ny fianarana tao amin’ny kolejy ka izy tenany no nanao adisisika hidirana ny lisea. Tao amin’ny kilasy faharoa an’ny lisea no nihevitra ity tetikasa ONG Merci ity ny tenany. Nitohy hatrany ny fisedrana olana hatreny amin’ny ambaratonga ambony an’ny oniversiten’Antananarivo. Nisy mpampianatra teny Ankatso, araka ny voalazany hatrany, nandrara ny fampiasany ny fitaovan’ny jamba tao ampianarana ka tsy nahafahany nandika lesona sy nandray fanazavana ara-potoana. Mafy taminy ihany koa ny fanaovana fikarohana na mémoire, olona indramina na fianakaviana mantsy no nasainy mamaky boky ho amin’izany.
Nisikina tanteraka izy ka afaka nandranto fianarana tany ivelany ary izao tetikasa izao no fikarohana sy tohan-kevitra nataony tamin’ny famaranana na mémoire. Mihevitra i Holiniaina Rakotoarisoa fa fandraisany anjara biriky amin’ny firenena sy fiarahamonina izao fananganana ny fikambanany tsy miankina izao ary entiny hampirisika sy hampiotra ireo manana fahasembanana. Tsy mba nisy toa izao, hoy izy nitari-dalana azy tamin’ny fiainany ka izany indrindra no antompisian’ny ONG Merci. Afaka mifampitantana tokoa ny samy jamba.
Sary : Ny Filoha mpanorina ny ONG Merci, Holiniaina Rakotoarisoa (Ankavia), ny Ben’ny tanana Ambohidrapeto, Andriantsilavo Mihary Manantena Nalinirina (Ankavanana), nandritra ny kabary fanokafana.
La rédaction

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930