Madatopinfo

 Flash Info

AMBATOVY : Hamokatra nickel sy cobalt 3 000 taonina mandritra ny volana marsa

AMBATOVY : Hamokatra nickel sy cobalt 3 000 taonina mandritra ny volana marsa

AMBATOVY : Hamokatra nickel sy cobalt 3 000 taonina mandritra ny volana marsa
février 28
13:55 2021

Ity volana marsa ity no miverina amin-kery tsikelikely ny orinasa Ambatovy, araka ny tafan’ny tomponandraikitry ny seraserany tamin’ny mpanao gazety, teny amin’ny birao fiasany tetsy Ankorondrano. Nambara nandritra izany, ny alakamisy 24 febroary farany teo fa 3.000 taonina no vokatra andrandraina mandritra ity marsa ity. Voalazan’ireo mpiandraikitra an’ity fitrandrahana nickel sy cobalt ity fa , mizotra moramora tahaka ny fiaingan’ny fiara ireo milina maro izay tratry ny fihobohana.
Tsiahivina fa nezahan’ireo teknisianina nahodina moramora na tsy afaka nitrandraka sy namokatra aza ireo milina tao Moramanga sy Toamasina, hisorohana ny fahasimbana sy ny harafesina amin’ireo fitaovam-pitrandrahana sy fanodinana. Narahi-maso hatrany koa ireo kojakoja saropady tahaka ny asidra sy ny entona.
Tsikaritry ny mpanara-baovao ara-toekarena ny fiatraikan’io fikatonana Ambatovy io na teo amin’ny sehatry ny haba sy hetra ho an’ny kitapom-bolam-panjakana na ireo orinasa miara-miasa taminy sy ny olompirenena maro. Araka ny angom-baovao tetsy Ankorondrano hatrany, mananika ny 3 000 tantsaha mpamatsy sakafo an’Ambatovy 450 isa kosa ireo orinasa salantsalany na madinika niara-niasa tamin’ity orinasa fitrandrahana harena ankibon’ny tany ity. Tsy vitsy araka izany no lasibatry ny fikatonan’ity orinasa ity. Hampiarin-doha ny fiharian-karena ho azy sy ny firenena, ireo orinasa ary ny olompirenena mianoka tombotsoa avy aminy indray noho izany Ambatovy, indrindra taorian’ny krizin’ny fihobohana sy ny covid19.
Haja Nirina

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930