Madatopinfo

 Flash Info

AKATA ZANA-DRAZANA: Hamerina amin’ny laoniny ny hasin’ny tanindrazana

AKATA ZANA-DRAZANA: Hamerina amin’ny laoniny ny hasin’ny tanindrazana

AKATA ZANA-DRAZANA: Hamerina amin’ny laoniny ny hasin’ny tanindrazana
février 26
12:03 2022

Tapitra ny zoma lasa teo ny 15 andro nomen’ny mpiara-dia amin’ny fikambanana Akata Zana-drazana ireo ray amandreny tompon’andraikitra manoloana ny zava-misy ankehitriny indrindra amin’ny lafiny ara-piarahamonina. Nilaza izy ireo fa efa latsaka lalina loatra ny tsy fanomezana ny haja aman-kasina ny soatoavina maha Malagasy ary ny fahendrena eto amin’ny tanindrazana.
Telo andro taorian’ny antso izay notanterahana, nampiantso ny tomponan’draikitry ity fikambanana ity Komitin’ny Fampihavanana Malagasy na ny CFM, tapaka nandritra ny fihaonana fa averina amin’ny hasiny amam-boninahiny ny fihavanana eto an-tanindrazana amin’ny alalany soatoavina amam-pahendrena, hoy ny filohan’ny Akata zana-drazana, Rabeviavy Brice Christopher. Voaresaka ihany koa ny fandraisana andraikitra amin’ny ady amin’ny gaboraraka ao anatin’ny tontolon’ny tambazotran-tserasera sy ny tokony hatao ho famerenan-kasina ny teny. Roa andro taorian’io dia nifampidinika teny anivon’ny Rafi-panjakana Ambony miaro ny Demokrasia sy ny tany tan-dalàna ary ny zonolombelona (HCDDED) ihany koa ny Akata, tapaka tamin’izany ny hamolavolana ny fiarovana ny fomban-drazana izay miha voavingavinga amin’izao vanim-potoana izao, araka ny fanampim-panazavana. Nandritra ny fanambarana notanterahan’ity fikambanana ity niaraka tamin’ireo solontena manerana an’i Madagasikara teny Antaninarenina ny zoma 25 febroary lasa teo, fantatra fa tafapetraka ny « Antso firaisankina » hamerenana amin’ny toerany ny hasin’ity tany masina ity. Tsy ekena intsony ny fizarazarana, fa hitodika amin’ny soatoavina ary koa ho sarotiny amin’ny rafitra maha Malagasy indrindra ny ota fady izay isan’ny mampirongatra ny loza voajanahary sy areti-mandringana eto, hoy hatrany ny fanambarana. Hisy araka izany ny fihaonamben’ny manankasina izay hotanterahana ny sabotsy voalohany ny volana adalo ny 5 martsa ho avy izao.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930