Madatopinfo

 Flash Info

ADY AMIN’NY COVID-19: Nanolotra fanafody Hydroxychloroquine ho an’ny Fanjakana malagasy ny Fondation Axian

ADY AMIN’NY COVID-19: Nanolotra fanafody Hydroxychloroquine ho an’ny Fanjakana malagasy ny Fondation Axian

avril 24
15:51 2020

Firenena maro no mbola miady mafy ao anatin’ny fiatrehana ny areti-mandoza coronavirus amin’izao fotoana izao, isan’ireo i Madagasikara. Tsy nitazam-potsiny manoloana izany ny Fondation Axian fa avy hatrany dia nanolo-tanana ny Fanjakana malagasy. Fanafody Hydroxychloroquine miisa 6.000 boaty izay ahafahana mitsabo ny marary tratran’ny coronavirus eto amintsika no natolotry ny Fondation Axian ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny lapam-panjakana Ambohitsirohitra ny alarobia 8 aprily lasa teo. Raha ny fampitam-baovao voaray, ahafahana mitsabo marary mitondra ny tsimok’aretina coronavirus hatramin’ny 2.000 isa ireo fanafody Hydroxychloroquine ireo ary hotsinjaraina avy hatrany amin’ireo ivon-toeram-pitsaboana ireo marary tratran’ny covid-19 eto amintsika ireo Hydroxychloroquine 6.000 boaty ireo. Tonga nanotrona il fotoana io ny Filoha Tale Jeneralin’ny Fondation Axian mivady, Hassanein Hiridjee; teo ihany koa ny solontenan’ny OMS eto Madagasikara sy La Réunion, Dokotera Charlotte Ndiaye sy ny Talen’ny Fondation Axian, Isabelle Salabert ary ny Talen’ny OPHAM, Philippe Egraz.
Nandritra ny fandraisam-pitenenana fohy nataon’ny Filoha Tale Jeneralin’ny Fondation Axian, Hassanein Hiridjee dia nidera ny fahaiza-mitantantana nasehon’ny Filoha malagasy manoloana ny fifehezana ny fiparitahan’ity valan’aretina covid-19 izay mandripaka olona maro maneran-tany ity. Nambarany hany koa fa fahaiza-mintantana tena maodely ary hampamiratra ny Firenentsika eo amin’ny sehatra iraisampirenena izany. Nisaotra manokana ny Fondation Axian moa ny Filoha Andry Rajoelina amin’izao fihetsika fanomezan-tanana goavana hiadiana amin’ny covid-19 izao.
Tsy vao izao akory no nitondra ny anjara birikiny teto amin’ny firenentsika ny Fondation Axian indrindra amin’ny fiarovana sy fanampiana ireo vahoaka tena sahirana, marefo. Vao tsy ela akory mantsy izay no nanolorany lamba firakotra 200 isa sy vary 10 taonina ho an’ireo tsy manan-kialofana eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930