SAMPANA MPAMONJY VOINA: Mankalaza ny faha-70 taona amin’ity 2019 ity | Madatopinfo

Madatopinfo

SAMPANA MPAMONJY VOINA: Mankalaza ny faha-70 taona amin’ity 2019 ity

SAMPANA MPAMONJY VOINA: Mankalaza ny faha-70 taona amin’ity 2019 ity

SAMPANA MPAMONJY VOINA: Mankalaza ny faha-70 taona amin’ity 2019 ity
juillet 20
11:20 2019

Tamin’ny taona 1949 no nijoroan’ny Vondrona mpamonjy voina ka amin’ity taona ity noho izany no feno 70 taona katroka. “Ny mpamonjy voina sy ny vahoaka miara-mientana hisoroka ny loza, hanalefaka ny loza ary miara-miatrika ny loza”, io no lohahevitra noraisina mandritra ny fankalazana ny faha-70 taona. Hetsika maro kosa no entin’ny Sampana mpamonjy voina hanamarihana izany, niatomboka tamin’ny fivavahana iraisam-pinoana teny amin’ny Chapelle Ampahibe izany ny zoma19 Jolay. Hisy ny hazakazaka iarahan’ny mpamonjy voina rehetra sy ny mpiara-miombon’antoka amin’izy ireo ka hiainga any Sabotsy Namehana izany ary hifarana ety Antananarivo renivohitra. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny asa sosialy hokarakarain’ity vondrona ity toy ny fanomezan-drà maimaim-poana sy ny fizahana sokajin-drà atao eny anivon’ny Fokontany manodidina. Hampiavaka ny fankalazana ny faha-70 taonan’ny Sampana mpamonjy voina ihany koa ny famelabelaran-kevitra arahina ady hevitra hotanterahana eny amin’ny efitranon’ny Lapan’ny Tanàna Analakely iarahan’ny mpisehatra voakasika ka mandritra izany dia afaka mandroso soson-kevitra entina hanatsarana ny fisorohana sy fanalefahana ary fiatrehana ny loza ireo mpandray anjara. Aorian’io, hotanterahana eo amin’ny Parvis Analakely ny fampiratiana iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny Sampana mpamonjy voina. Hisy ihany koa ny fampiofanana ny mpanao gazety miompana amin’io lohahevitra io hatrany. “Fanamby ho amin’ny 70 taona ho avy ny hitondra traikefa vaovao amin’ity sehatra ity ary manao antso avo amin’ ireo orinasa mikirakira ny teknolojia hanolo-tanana ny Sampana mpamonjy voina amin’izao andron’ny fanatontoloana izao na amin’ny lafiny fampitaovana na amin’ny hafa”, hoy ny tompon’andraikitry ny serasera sady Filohan’ny Kaomisiona fankalazana ny faha-70 taona Lieutenant Ralimboson. Nohamafisiny fa isan’ny mbola olana sedrain’izy ireo ankehitriny ny fahalovan’ny fitaovana ampiasaina toy ny fiara sy ny kojakoja hanatanterahana ny asa. Ankoatra izay ihany koa ny tsy fahampian’ny isan’ny mpamonjy voina, araka ny fenitra mantsy dia mpamonjy voina iray ho an’ny olona 800 raha mamonjy voina iray ho an’ny olona 1700 eto amintsika.

Mickah R.

Partager

Articles connexes

Archives

août 2019
L Ma Me J V S D
« juil    
 1234
567891011
12131415161718
19202122232425
262728293031