ENIAP ANTSIRABE: Polisy vaovao 1098 notolorana galona | Madatopinfo

Madatopinfo

ENIAP ANTSIRABE: Polisy vaovao 1098 notolorana galona

ENIAP ANTSIRABE: Polisy vaovao 1098 notolorana galona

ENIAP ANTSIRABE: Polisy vaovao 1098 notolorana galona
juillet 20
06:51 2019

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly zoma 19 Jolay ny andiany indraimihira misalotra ny anarana “FENITRA” teo anivon’ny Sekolin’ny Polisim-pirenena manofana ho “Agents” sy “Inspecteurs de police” tao Antsirabe(ENIAP). Miisa 1098 izy ireo, ny 100 “Inspecteurs de Police” ka ny 8 amin’izany dia vehivavy, ny 998 kosa dia “Agents de police” ka ny 94 dia vehivavy. Ity lanonana ity dia notarihan’ny Ministry ny Filaminam-bahoaka Contrôleur Général de Police Roger Rafanomezantsoa, natrehana manam-boninahitra sy olo-manan-kanja maro. Nohamafisin’ny Ministra nandritra ny fandraisam-piteneny fa: “fanamby lehibe amin’izao fitondram-panjakana izao ny fampiakarana lenta ny fanofanana sy ny fanondrotana ho matihanina ny fomba fiasa”. Mafonja ihany koa ny hafatra naoetrany tamin’ireo vao nahazo galona: “Ho anareo andiany FENITRA, aoka tsy hanan-toerana ao aminareo ny fakam-panahy tsy manambina, ny vato mafanana avy amin’ireo zoky na avy amin’ny fiaraha-monina, satria mivoana amin’ny safidinareo hanompony mpiara-belona izany. Koa aoka re, tsy ho voaloton’ny fandoto iray tandroka ianareo tokony ho fandio iray siny, satria FENITRA no lokan’ady”. Ankoatra izay, nisy ihany koa lanonana fandraisam-pibaikoana teo amin’ireo talem-paritra vaovao tamin’io fotoana io izay miisa 4 miralahy.

Mickah R.

Partager

Articles connexes

Archives

août 2019
L Ma Me J V S D
« juil    
 1234
567891011
12131415161718
19202122232425
262728293031