ANTENIMIERANDOHOLONA: Hetsika maro no hanamarihana ny faha-60 taona | Madatopinfo

Madatopinfo

ANTENIMIERANDOHOLONA: Hetsika maro no hanamarihana ny faha-60 taona

ANTENIMIERANDOHOLONA: Hetsika maro no hanamarihana ny faha-60 taona

ANTENIMIERANDOHOLONA: Hetsika maro no hanamarihana ny faha-60 taona
juillet 18
09:15 2019

Ny alatsinainy 22 hatramin’ny sabotsy 27 Jolay 2019 ho avy izao no hankalazaina amin’ny fomba ofisialy ny faha-60 taonan’ny Antenimierandoholona. Hiavaka ity taom-pankalazana ity, entina hanombohana izany ny fanompoam-pivavahana ny alatsinainy tapany maraina ary hotohizana eny an-tokontanin’ny Antenimierandoholona Anosy ny tolakandro. Ankoatra izay, hisy ny famelabelaran-kevitra arahina ady hevitra izay ahitana lohahevitra samy hafa ary azon’ny rehetra atrehana ny talata sy ny alarobia ary ny alakamisy. Hizara roa kosa ny hetsika ny zoma 26 Jolay, handray anjara amin’ny fanomezan-drà ao amin’ny HJRA ny Loholona sy ny mpiasa amin’ny 7 ora maraina, avy eo hitohy amin’ny hetsika ara-panatanjahan-tena toy ny hazakazaka madinika iarahan’ny rehetra, aorian’io ny Zumba sy lalao ara-piralahiana eo amin’ny taranja Basket-ball sy Football ary Volley-ball. Ny tolakandron’ny Zoma indray kosa dia hisy seho goavana iarahana amin’ny Vakomanitry ny Antenimierandoholona sy ny Antoko Mpihiran’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Vola ary ny Tarika Rimbosa eny amin’ny Plaza Ampefiloha. Raha ny fandaharam-potoana ny sabotsy 27 Jolay kosa, hanolotra fanampiana eny amin’ny Hopitaly HJRA izy ireo ary hisy ny fampiratiana azon’ny rehetra tsidihana eo Anosy hatrany. Ho feno araka izany ny fandaharam-potoana mandritra io herinandro hankalazana ny faha-60 taonan’ny Antenimierandoholona io ary hanasana ny rehetra fa tsy hisy matetika ny hetsika tahaka izao.

Mickah R.

Partager

Articles connexes

Archives

août 2019
L Ma Me J V S D
« juil    
 1234
567891011
12131415161718
19202122232425
262728293031