FAMPITANA MIVANTANA NY LALAON’I BAREA: Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana, polisy 1350 no hisandrahaka eto an-drenivohitra | Madatopinfo

Madatopinfo

FAMPITANA MIVANTANA NY LALAON’I BAREA: Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana, polisy 1350 no hisandrahaka eto an-drenivohitra

FAMPITANA MIVANTANA NY LALAON’I BAREA: Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana, polisy 1350 no hisandrahaka eto an-drenivohitra

FAMPITANA MIVANTANA NY LALAON’I BAREA: Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana, polisy 1350 no hisandrahaka eto an-drenivohitra
juillet 11
06:31 2019

Anio alakamisy 10 Jolay manomboka amin’ny 10 ora alina no hiatrika ny dingan’ny ampahefa-dalana ny ekipam-pirenena BAREA an’i Madagasikara amin’ny Fiadiana ny Tompon-dakan’i Afrika (CAN 2019) izay hifanandrina amin’ny Tonizia. Hisy ny fampitàna mivantana amin’ny toerana maro ary tsy ho latsa-danja tamin’ireo dingana teo aloha ny fientanam-po sy ny fanehoana hafaliana amin’ny endriny isan-karazany. Manoloana izany indrindra, ho maro ireo olona mifamezivezy an-dalambe ary tsy vitsy ihany koa ny hetsika samy hafa eto an-drenivohitra mandritra io fotoan-dehibe hanohanana ny ekipa BAREA io. Mba hanjakan’ny filaminana tanteraka, polisy miisa 1350 no hanao ny asany manerana an’Antananarivo renivohitra mandritra ity alin’ny alakamisy tontolo ity. Raha ny fantatra, samy manana ny andraikiny ireo Polisy ireo: ao ny miandraikitra ny fiambenana, misahana ny fanaraha-maso sy fisavana hisorohana ny mety ho fanararaotana, eo ihany koa ny polisy mandrindra manokana ny fifamoivoizana ialana amin’ny fitohanana. Na dia tsy nahitana fitarainana aza ny teo anivon’ny Polisim-pirenena nandritra ireo lalao teo aloha nandraisan’ny BAREA anjara, tsy hikely soroka hatrany ny eo anivon’ny Polisim-pirenena amin’ny fitandroana tanteraka ny filaminana. Ankoatra izay, hisy ny fepetra horaisina ho an’ireo izay mihoa-pefy sy tsy manara-dalàna mandritra izany ary tsy miova kosa ny fepetra mikasika ny trano fivarotana zava-pisotro izay hatramin’ny 9 ora alina ihany. Noho izany, manao antso avo amin’ny Malagasy rehetra ny Polisim-pirenena mba hanohana ny ekipam-pirenena BAREA am-pifaliana arahina filaminana ho lavitry ny korontana sy ny disadisa.

Mickah R.

Partager

Articles connexes

Archives

août 2019
L Ma Me J V S D
« juil    
 1234
567891011
12131415161718
19202122232425
262728293031