HERINANDRON’NY FAHASALAMAN’NY RENY SY NY ZAZA: Ny 23, 24, 25, 26,27 Aprily ho avy izao | Madatopinfo

Madatopinfo

HERINANDRON’NY FAHASALAMAN’NY RENY SY NY ZAZA: Ny 23, 24, 25, 26,27 Aprily ho avy izao

HERINANDRON’NY FAHASALAMAN’NY RENY SY NY ZAZA: Ny 23, 24, 25, 26,27 Aprily ho avy izao

HERINANDRON’NY FAHASALAMAN’NY RENY SY NY ZAZA: Ny 23, 24, 25, 26,27 Aprily ho avy izao
avril 20
08:33 2019

Hotanterahana ny 23 hatramin’ny 27 Aprily 2019 ho avy izao ny andiany faha-26 ny herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza manerana ny Nosy raha efa tamin’ny taona 2006 no nanombohan’izany teto amintsika ary atao in-droa isan-taona izany. Hatao amin’ireo andro ireo ihany koa ny fankalazana ny herinadro afrikana momba ny vaksiny. Tanjona ny hampihenana ny tahan’ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza latsaky ny 5 taona. Mandritra izany, misy ny tolotra mamaim-poana ho azy ireo arakaraka ny sokajin’olona kendrena eny amin’ny Tobim-pahasalamana sy toerana voatokana amin’izany toy ny fanomezana vitamine A sy odinkankana, fitiliana ny tsy fanjarian-tsakafo mktarazoka, fanaraha-maso oreo aretina azo sorohana amin’ny alalan’ny vaksiny ary ny fitiliana ny tsimokaretina VIH/SIDA amin’ny vehivavy mitondra vohoka. Maro ny tombotsoa azon’ny reny sy ny zaza amin’ireo tolotra ireo, manampy amin’ny fitomboana, miaro ny tsy fahampian-drà sy miaro amin’ny aretina maro.
Araka ny fantatra, manodidina ny 1700 ireo isan’ny mpanentana ara-pahasalamana mandritra ireo 5 andro ireo, ao ireo mpanentana efa nahazo fiofanana avy eny amin’ny fiaraha-monina, eo ihany koa ireo mpiasan’ny fahasalamana eo anivon’ny tobim-pahasalamana.”Azo antoka avokoa ireo tolotra mamaim-poana ireo ka tsy misy ahiana. Mbola mandalo sehatra maro ny fanafody vao tonga amin’ny mpisitraka dia ny reny sy zaza izany.Ny Fanjakana Malagasy miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka marobe ihany koa dia miezaka ny amin’ny fanatanterahana ity hetsika ity”, hoy ny Talen’ny fahasalaman’ny fianakaviana eo anivon’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka Dokotera Tidahy Noromalala Sylvie.
(Sary nindramina)

Mickah Raharisoa

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

août 2019
L Ma Me J V S D
« juil    
 1234
567891011
12131415161718
19202122232425
262728293031