ASA SOSIALY ATAON’NY ONG LE LÉMURIEN DE MADAGASCAR: Nahazo tombony ny Kaominina Antanetibe Mahazaza sy Merikanjaka | Madatopinfo

Madatopinfo

ASA SOSIALY ATAON’NY ONG LE LÉMURIEN DE MADAGASCAR: Nahazo tombony ny Kaominina Antanetibe Mahazaza sy Merikanjaka

ASA SOSIALY ATAON’NY ONG LE LÉMURIEN DE MADAGASCAR: Nahazo tombony ny Kaominina Antanetibe Mahazaza sy Merikanjaka

ASA SOSIALY ATAON’NY ONG LE LÉMURIEN DE MADAGASCAR: Nahazo tombony ny Kaominina Antanetibe Mahazaza sy Merikanjaka
mars 19
13:12 2019

Isan’ny tarigetran’ny ONG LE LÉMURIEN DE MADAGASCAR ny hanolo-tanana ny mpiray tanindrazana. Tamin’ity nahazo tombony manokana ny tao Antanetibe Mahazaza sy Merikanjaka ao anatin’ny Distrika Ambohidratrimo tamin’ny alalan’ny fanamboarana fotodrafitrasa toy ny sekoly, toeram-pitsaboana, eo ihany koa ny paompy sy trano ho an’ny tanora. Maro ny olona nisitraka sy nahazo tombotsoa tamin’ny asa sosialy nataon’ity ONG ity. Mba ho fikojakojana ireo fotodrafitrasa efa vita, misy hatrany ny fanaraha-maso akaiky ataon’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fikambanana. Ankoatra izay, nisy ny ihany hetsika nokarakarain’ny ONG LE LÉMURIEN DE MADAGASCAR ny volana Febroary sy Martsa 2019. Noentina nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy tamin’ity taona ity ny atrikasa niarahana tamin’ireo vehivavy manerana ny Kaominina 19 ny 8 martsa lasa teo, ny fanehoana ny fahaiza-manao toy ny sakafo sy ny asa tanana.
Amin’ny maha-fetin’ny mpifankatia ny 14 Febroary dia nikarakara fifaninana niompana tamin’ny lohahevitra « Fitiavana » ny ONG LE LÉMURIEN DE MADAGASCAR ho an’ny tanora tao amin’ny Kaominina Antanetibe Mahazaza sy Merikanjaka. Fifaninana sary, soratra, feo sy dihy no natao nandritra izany ka nisy ny loka nozaraina ho an’ny mpandresy. “Niavaka ny hetsika tamin’ity satria niarahana tamin’ny tanora roa avy any Bretagne: Alexia Luel sy Alexia Portlanguen, izy ireo izay mpikambana ato ihany amin’ny ONG ihany. Nisy ny fihaonana mivantana tamin’ireo tanora, teo ihany koa ny fifampizarana sy fifanakalozan-kevitra nandritra izany”, hoy ny filoha mpanorina ny ONG LE LÉMURIEN DE MADAGASCAR , Randrianarison Henry.
Raha ny fantatra, nandritra ny folo taona nijoroan’ ity fikambanana ity dia efa maro ny asa sosialy vita manerana an’i Madagasikara ary mbola hitohy hatrany izany ho fanampiana ny mpiara-belona.

Mickah Raharisoa

Partager

Articles connexes

Archives

avril 2019
L Ma Me J V S D
« mar    
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930