MPONINA AO LA REUNION KELY: Nahazo trano contenaires 12 avy amin’ny Fitondram-panjakana indray | Madatopinfo

Madatopinfo

MPONINA AO LA REUNION KELY: Nahazo trano contenaires 12 avy amin’ny Fitondram-panjakana indray

MPONINA AO LA REUNION KELY: Nahazo trano contenaires 12 avy amin’ny Fitondram-panjakana indray

MPONINA AO LA REUNION KELY: Nahazo trano contenaires 12 avy amin’ny Fitondram-panjakana indray
mars 18
07:20 2019

Raha tsiahivina, ny 21 Febroary lasa teo ny andiany voalohany ny trano contenaires izay natolotry ny Ministry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy Naharimamy Lucien Irmah ho an’ny mponin’ny La Réunion kely. Ny sabotsy 16 Martsa lasa teo kosa ny andiany faharoa ka fianakaviana 12 no nisitraka izany ary efa misy fandriana sy kidoro vaovao ao anatiny. “Hisy fanaraha-maso sy fitsidihina isam-bolana ataon’ny eo anivon’ny Minisitera amin’ny fikojakojana ireo fitaovana rehetra natolotra ny isan-tokatrano”, hoy ny Sekretera Jeneraly Dokotera Hanta Baraka Charlotte izay nisolo tenan’ny Ministry ny mponina nanolotra izany teny an-toerana. Hatreto, mahatratra 30 ireo fianakaviana ao La Réunion kely nahazo ity trano contenaires ity. Ankoatra izay, nifanandrify tamin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny asa soa eo anivon’ny fiangonana advantista koa tamin’io fotoana io ka tonga nanolotra “lampe led” ho an’ny tokatrano miisa 193 ihany koa izy ireo. Raha ny tatitra, tsy hijanona hatreo ny fikaroham-bahaolana ataon’ny Fitondram-panjakana mahakasika ny fijerena akaiky ireo mponina eny amin’ny La Réunion kely sy amin’ny faritra hafa, fa mbola an-dalam-panaovana fifampiraharahana amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny izy ireo.

Mickah Raharisoa

Partager

Articles connexes

Archives

juillet 2019
L Ma Me J V S D
« juin    
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
293031