ANDRO IRAISAM-PIRENENA HANKALAZANA NY ZON’NY VEHIVAVY: “Ny adidy sy andraikitrin’ny vehivavy ho fampandrasoana ny firenena” | Madatopinfo

Madatopinfo

ANDRO IRAISAM-PIRENENA HANKALAZANA NY ZON’NY VEHIVAVY: “Ny adidy sy andraikitrin’ny vehivavy ho fampandrasoana ny firenena”

ANDRO IRAISAM-PIRENENA HANKALAZANA NY ZON’NY VEHIVAVY: “Ny adidy sy andraikitrin’ny vehivavy ho fampandrasoana ny firenena”

ANDRO IRAISAM-PIRENENA HANKALAZANA NY ZON’NY VEHIVAVY: “Ny adidy sy andraikitrin’ny vehivavy ho fampandrasoana ny firenena”
mars 09
12:17 2019

Tao Mahajanga no ivon’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena hankalazana ny zon’ny vehivavy, izay teo ambany fiahian’ny vadin’ny filoham-pirenena Mialy Rajoelina androany 8 marsa 2019. Hetsika maro sosona no nentina nanamarihana izany andro iraisam-pirenena izany dia ny carnival izay natao tao amin’ny Kianja Rabemananjara, ny fitokanana ny tranombarotra “Malagasy Ethanol” tao Mahajanga ary ny valan-dresaka “Viavy mahavita azy” sy fizarana mari-pakasitrahana “Vehivavy Mihary” izay notontosaina tao amin’ny Complexe Sportif Ampisikina. “Ny adidy sy andraikitrin’ny vehivavy ho fampandrasoana ny firenena” no lohahivetra nentin’ny fankalazana ny andro ho an’ny zon’ny vehivavy tamin’ity taona ity. Solon-tenan’ny fikambanam-behivavy avy amin’ny faritra roa amby roapolo eran’I Madagasikara no tonga nandray anjara tamin’ny “carnaval” izay natao tao amin’ny kianja Rabemananjara. Tonga nanatrika izany ny vadin’ny filoham-pirenena, Ramatoa Mialy Rajoelina niaraka tamin’ny ireo vehivavy ministra sy ireo vehivavy vadin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta sy andrim-panjakana isan-tsokajiny ary ireo mpiara-miombon’antoka iraisampirenena. Marihina fa ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy dia nolaniana teo anivon’ny Firenena Mikambana tamin’ny taona 1977. Nanambara ny solon-tenan’ny sampan draharahan’ny firenena mikambana eto Madagasikara, Violette Kakyomya, fa nahitana fivoarana lehibe ny fampiarana ny zon’ny vehivavy eto Madagasikara indindra eo amin’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ny ady amin’ny herisetra amin’ny vehivavy ary ny fampiharana zom-pirenen’ny vehivavy malagasy ankapobeny. Tamin’ny lahateny izay nataony dia nanambara ny vadin’ny filoham-pirenena Mialy Rajoelina fa ankoatran’ny hetsika izay atao maneran-tany, ny andron’ny 8 martsa dia natao ihany koa hanaovana jery todika mba hitondra fanatsarana hatrany amin’ny fampiharana antsakany sy andavany ny zon’ny vehivavy. “Mpiantsehatra mavitrika amin’ny fiaraha-monina ny vehivavy, ary manana zo sy andraikitra amin’ny maha olom-pirenena azy izy, izay tsy misy maha samihafa azy amin’ny lehilahy” hoy ramatoa Mialy Rajoelina. Miantso ny vehivavy malagasy rehetra ny vadin’ny filoham-pirenena mba tsy hisara-bazana, fa hifampitsinjo sy hiray hina ka hitondra fiovana ary hitondra ny vehivavy amin’ny toerana tokony hisy azy.
Fitokanana ny tranombarotra “Malagasy Ethanol”
Taorian’ny lanonana fankalazana tao amin’ny kianja Rabemananjara dia nitokana ny tranombarotra “Malagasy Ethanol” voalohany ao Mahajanga ny vadin’ny filoham-pirenena araka ny efa natomboka tao Ambilobe. Ny fanapariahana ny tranobarotra “Malagasy ethanol” manerana ny Nosy dia tafiditra ao amin’ny tetikasan’ny vadin’ny filoham-pirenena, amin’ny alalan’ny fikambanana Fitia, hiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fampiasana angovo madio toy ny ethanol ao amin’ny tokantrano malagasy rehetra. Tamin’io fotoana io ihany koa no nanoloran-dRamatoa Mialy Rajoelina fatana sy solika ethanol ho an’ny sampandraharaha mihaino sy mandray an-tanana ireo vehivavy iharan’ny herisetra izay eo ambany fihahian’ny FNUAP.
Valan-dresaka “Viavy mahavita azy” sy fizarana mari-pakasitrahana “Vehivavy Mihary”
Vehivavy dimy no nijoro vavolombelona tamin’ny valan-dresaka “Viavy mahavita azy”. Nitantara ireo herisetra sy sedra niatra taminy ary ny lalana nizorany mba hihoatra teo amin’ny fiainany ireo vehivavy ireo. Vehivavy 36 kosa no nanolotra tetikasa fihariana sy fampandrosoana manerana ny faritra roa amby roapolo ary 9 amin’ireo no voasafidy nahazo fanampiana avy amin’ny fikambanana Fitia sy ny Ministeran’ny mponina, ny fiahiana arasosialy ary fampivoarana ny vehivavy mba hanatanterahana ny tetikasan’izy ireo.Ny valandresaka sy fifaninana tahaka izao dia harena lehibe eo amin’ny fifampizarana hevitra traikefa sy tetikasa hahafahana mahita vahaolana mivaingana sy mahomby ho an’ny fivoaran’ny vehivavy sy ny ankizy. Ary ny tanjona tiana ahatongavana dia ny hampisondrotana ny fiainan’ny vehivavy amin’ny alalan’ny fampianarana, ny fanabeazana sy ny fandraharahana ary ny fampiofanana arakasa, ara pahasalamana. Namerina hatrany ramatoa Mialy Rajoelina fa manameloka ireo herisetra amin’ny endriny isan-karazany izay mihatra amin’ny vehivavy sy ny ankizy ary nanolotra hafatra feno fanantenana ho an’ny vehivavy malagasy : “Mijoro aho anio, sy amin’ny andro mbola ho avy hiaro ny ankizy sy ny vehivavy malagasy amin’ny herisetra ary hiaro ny zon’izy ireo. Manainga ny rehetra aho handray anjara fitenena ka hiampanga ny zava-misy ary miangavy ny manam-pahefana hanasazy ny endrika herisetra rehetra mihatra amin’ny vehivavy sy ny ankizy” hoy izy. Teo am-pamaranana dia namporisika hatrany ireo vehivavy malagasy ny vadin’ny filohampirenena hanangana tetikasa hampivoarana ny vehivavy ary nanao antso avo ny Malagasy rehetra hiampanga sy hanameloka, hifarimbona, hanaitra, hampahafantatra ny rehetra satria tokony arovana ny vehivavy sy ny ankizy.
Zoma 8 marsa, 2019FAMPITAM-BAOVAO
FIADIDIANA NY REPOBLIKA

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

juillet 2019
L Ma Me J V S D
« juin    
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
293031