ISIKA FIKAMBANANA MIARA-DIA AMIN’I PREZIDA ANDRY RAJOELINA: Vonona hiatrika ny fifidianana Solombavambahoaka | Madatopinfo

Madatopinfo

ISIKA FIKAMBANANA MIARA-DIA AMIN’I PREZIDA ANDRY RAJOELINA: Vonona hiatrika ny fifidianana Solombavambahoaka

ISIKA FIKAMBANANA MIARA-DIA AMIN’I PREZIDA ANDRY RAJOELINA: Vonona hiatrika ny fifidianana Solombavambahoaka

ISIKA FIKAMBANANA MIARA-DIA AMIN’I PREZIDA ANDRY RAJOELINA: Vonona hiatrika ny fifidianana Solombavambahoaka
mars 07
08:19 2019

Efa nanomboka ny 26 Febroary lasa teo ny fametrahana antontan-taratasim-pilatsahan-kofodiana ho Solombavambahoaka, hifarana ny 12 Martsa ho avy izao kosa izany araka ny daty voafaritra. Nanambara ofisialy ny fahavononany handray anjara amin’io fifidianana io ny vovonana politika IFi na Isika Fikambanana miara-dia amin’i Prezida Andry Rajoelina ny talata 5 Febroary lasa teo teny amin’ny Hotel Colbert Antaninarenina. Fanambarana izay notarihan’ny Filoha Nasionaly sy ny Birao Nasionalin’ny IFi. Raha tsiahivina, niorina nandritra ny volana vitsivitsy izay ity fikambanana ity ary maro ny hetsika ara-tsosialy sy politika efa nosahaniny, isan’ny goavana tamin’izany ny fandraisan’ny IFi anjara mavitrika tamin’ny fampandaniana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra nanerana ny Nosy. Raha ny fantatra, efa misandrahaka manerana an’i Madagasikara ny IFi ary efa misy mpikambana manodidina ny 500.000. Nandritra ny fanambarana nataon’ity vovonana ity hatrany dia tsy mivoana amin’ny firehan-kevitry ny Filohan’ny Repoblika izy ireo ary manohana 100 isan-jato ny lamina sy ny torimarika rehetra apetrany. Nanamafy ihany koa izy ireo fa hotohanan’ny ICi tsy misy fepetra izay kandida atolotry ny Filoha.

Mickah Raharisoa

Partager

Articles connexes

Archives

septembre 2019
L Ma Me J V S D
« août    
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
30