PAOSITRA MALAGASY-TSINJO LAVITRA: Hitondra fanavaozana sy fivoarana goavana ny vokatra | Madatopinfo

Madatopinfo

PAOSITRA MALAGASY-TSINJO LAVITRA: Hitondra fanavaozana sy fivoarana goavana ny vokatra

PAOSITRA MALAGASY-TSINJO LAVITRA: Hitondra fanavaozana sy fivoarana goavana ny vokatra

PAOSITRA MALAGASY-TSINJO LAVITRA: Hitondra fanavaozana sy fivoarana goavana ny vokatra
février 05
11:27 2019

Nomarihina omaly Alatsinainy 4 Febroary manoloana ny biraon’ny Paositra Analakely ny fanombohana ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny “Tahiry Tsinjo Lavitra” teo anivon’ny Paositra Malagasy. Nanatrika ity lanonana fanokafana ity ny Ministeran’ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampivoarana ny Haitao ara-Kajy Mirindra izay nosolon’ny Sekretera Jeneraly tena Harinjaka Ratozamanana. Ankehitriny, manana masoivoho miisa 254 ny Paositra Malagasy izay mikirakira ny tahirim-bola Tsinjo Lavitra manerana an’i Madagasikara. “Manana fomba fandefasam-bola vetivety mankany ivelany ny Paositra Malagasy. Tombony amin’ny fampiasana ny Tsinjo Lavitra noho izy afaka mitahiry vola, ohatra ialana amin’ny tsy fahandriampahalemana na ihany koa hoarovana ny vola tsy ho lanilany foana”, hoy ny Tale Jeneralin’ny Paositra Malagasy Richard Ranarison.
Raha ny fantatra hatrany, hisy ny fivoarana sy ny fanatsarana entin’ny Paositra Malagasy amin’izao fankalazana izao, anisan’izany ny fampidirana “Révolution numérique” amin’izao vanim-potoanan’ny fanatontoloana izao, ary afaka misitraka izany ny ao amin’ny tahirom-bola Tsinjo Lavitra izay manala ny fahasahiranan’ny mpanjifa na ny any ambanivohitra na ny eto andrenivohitra. Iray fanavaozana goavana entin’izy ireo ihany koa ny fampiasana “carte de paiement”. Fanamby, hoy hatrany ny Tale Jeneralin’ny Paositra Malagasy ny hitondra fanatsarana ny tolotra mba hanomezana fahafaha-po misimisy kokoa ho an’ny mpanjifa ary ihany koa hampitombo avo roa heny ny isan’ireo misitraka ny tombotsoa avy amin’ny Tsinjo lavitra.

Mickah Raharisoa

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

août 2019
L Ma Me J V S D
« juil    
 1234
567891011
12131415161718
19202122232425
262728293031