LALANDY ANDRIAMITOSY: Vonona hiara-hiasa amin’ny kandida Filoham-pirenena | Madatopinfo

Madatopinfo

LALANDY ANDRIAMITOSY: Vonona hiara-hiasa amin’ny kandida Filoham-pirenena

LALANDY ANDRIAMITOSY: Vonona hiara-hiasa amin’ny kandida Filoham-pirenena

LALANDY ANDRIAMITOSY: Vonona hiara-hiasa amin’ny kandida Filoham-pirenena
octobre 02
09:12 2018

Nanao fanambarana lehibe omaly Alatsinainy tetsy Andrefan’Ambohijanahary i Lalandy Andriamitosy, Filohan’ny Antoko Solofon’ny Fampandrosoana Firenena (SFF) mikasika ny tranga sy toe-draharaha misy eto Madagasikara. Notsindriany nandritra izany fa tsy voatery ireo kandida efatra izay efa nitondra ny Firenena ihany no manana ny mahaizy azy fa ireo 32 ambiny ihany koa dia tsy ambakan’izany. Araka ny fanambarana nataony hatrany, niantso ireo kandida 32 ihany koa i Lalandy Andriamitosy hiara-hiasa feno aminy, “Mety ve raha misy miala hosoloina ny tenako, ka hiara-hiasa sy hifanampy isika fa mila fanarenana ifotony eo amin’ny vahoaka sivily sy miaramila”.
Aminy, olona mijery vahoaka sy tia tanindrazana no mendrika hitondra an’i Madagasikara ary ny fampandrosoana isam-paritra no tokony imasoana sy laharam-pahamehana. Mitaky ny Mpitondra ambony rehetra ny tenany mba tsy hitakosina amin’ny vahiny na ihany koa ireo izay mizaka ny zo-pirenena Malagasy. Ankoatra izay, tsy manaiky ny ZES (Zone Economique Spéciale) i Lalandy Andriamitosy. Ity farany izay manokatra varavarana ho an’ireo Fikambanana na Antoko politika mitovy fomba fijery aminy.

Mickah Raharisoa

Partager

Articles connexes

Archives

octobre 2018
L Ma Me J V S D
« sept    
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
293031