RIJA-BODO-NANIE : Hanolotra seho goavana any Paris | Madatopinfo

Madatopinfo

RIJA-BODO-NANIE : Hanolotra seho goavana any Paris

RIJA-BODO-NANIE : Hanolotra seho goavana any Paris

RIJA-BODO-NANIE : Hanolotra seho goavana any Paris
octobre 01
13:23 2018

Feno 30 taona nihirana sy niankarana an-tsehatra i Rija Ramanantoanina sy Bodo, 25 taona kosa i Nanie. Hiavaka ny seho atolotr’izy ireo amin’ny mpakafy any Paris amin’ity farany herinandro ity, ny sabotsy 6 Oktobra izao amin’ny 9 ora sy sasany alina no hanamarihana izany ao amin’ny “Le Millénaire, Savigny Le Temple”. Hisongadina ny fankalazana amin’io fotoana io, ny adiany voalohany ahitana hira fiderana iarahana amin’ny vondrona “Chorale” Malagasy marobe any an-toerana, ny andiany faharoa kosa hira nanamarika azy ireo tsirairay avy hatramin’izay. Hisy ihany koa ny fampiaraham-peo an’olon-droa na izy telo miaraka. Miisa 100 ireo feo lafika hanafana ny lanonana ary Malagasy avokoa izy ireo. Efa any an-toerana i Rija Ramanantoanina sy i Nanie manomana ity hetsika ity ary efa mivoaka ny tapakila ahafahana mijery ny fampisehoana ka 25 Euro ny vidiny mialoha raha 30 Euro kosa ny andron’ny fampisehoana. Raha ny fantatra hatrany, maharitra ora efatra eo ho eo ity seho goavana ity ary hira Malagasy avokoa no ataon’izy ireo amin’izany. Ity hetsika ity izay karakarain’ny Ivenco sy Ilomboaary, efa fanta-daza amin’ny fikarakarana fampisehoana izy ireo. Ho vinavinaina mbola hotohizana eto Madagasikara ny fankalazan’izy ireo izany jobily eo amin’ny sehatry ny mozika izany.

Mickah Raharisoa

Partager

Articles connexes

Archives

décembre 2018
L Ma Me J V S D
« nov    
 12
3456789
10111213141516
17181920212223
24252627282930
31