MARC RAVALOMANANA : “Notokanana ny foibe KMMR vaovao” | Madatopinfo

Madatopinfo

MARC RAVALOMANANA : “Notokanana ny foibe KMMR vaovao”

MARC RAVALOMANANA : “Notokanana ny foibe KMMR vaovao”

MARC RAVALOMANANA : “Notokanana ny foibe KMMR vaovao”
septembre 24
11:41 2018

Fotoam-pivavahana sy lanonana tsotsotra no nentin’ny filoha teo aloha ,kandida,Marc Ravalomanana mianakavy sy ny mpomba an’i Dada nitokana ny trano lehibe misy ny Q.G sy ny birao nasionalin’ny komity manohana an’i Marc Ravalomanana ny 22 Septambra 2018 lasa teo tetsy Bel Air Ampandrana.Ankoatra ny fitantarana ny lalam-piainany niainga tamin’ny bisikileta, ny krizy nolalovany tamin’ny 2009, ny zava-bitany nandritra ny fito tana nitondrany dia niaza ny fandaharanasany hanarenany indray ny firenena izy.Nambarany fa vonona hanavotra an’i Madagasikara miaina ao anaty fahantrana sy tsy fandriam-pahalemana lalina ny tenany.”Mpanangana aho fa tsy mba mpandrava,resabe daholo ny hoe hampandroso ny firenene nefa tsy atokisan’ny mpamatsy vola satria ny 87 isan-jato ny vola enti-mampiodina ny raharaham-pirenena dia avy amin’ny mpamatsy vola mahazatra avokoa.Tsy hoe tsy misy vola akory no antony hanaovana ilay fampakarana “fond “fa ny vahoaka mihitsy no nangatak”
a hoe:Dada o,ahoana ny andraisanay anjara amin’ny fampandaniana anao?”Hoy ny tenany.Ny amin’ny hanovanana na tsia ny lalam-panorenana sy ny mety tsy isian’ny fifidianana indray dia mbola tsy nahita-teny ny lehilahy.Nampanembona izay tonga teny antoerana moa ny andra-tsira kely ny vokatry ny orinasany.Avy eo izy dia fantatra fa handeha ho any ivelany. Ny vola tokoa ve izany betsaka fa ny hampiasana azy no tsy hita?Asa aloha fa mbola mihoho-bilany ny malagasy maro anisa hatramizao.
Vonjy Ny Aina C.E.

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

décembre 2018
L Ma Me J V S D
« nov    
 12
3456789
10111213141516
17181920212223
24252627282930
31