MAILHOL-KANDIDA GFFM : “Sonia 1.000.000 hamerenana ny Nosy manodidina” | Madatopinfo

Madatopinfo

MAILHOL-KANDIDA GFFM : “Sonia 1.000.000 hamerenana ny Nosy manodidina”

MAILHOL-KANDIDA GFFM : “Sonia 1.000.000 hamerenana ny Nosy manodidina”

MAILHOL-KANDIDA GFFM : “Sonia 1.000.000 hamerenana ny Nosy manodidina”
septembre 24
11:39 2018

Nihaona tamin’ireo mponin’Antananarivo tetsy amin’ny kianja fanampiny Mahamasina, ny Asabotsy 22 Septambra lasa teo ny kandida Mailhol.Maherin’ny 1tapitrisa ny olom-pirenena mitaky ny famerenana ny”iles eparses” miaraka aminy.Tamin’io koa no nanazavan’ny lehilahy ny vina fahazavana hoentiny.
Ankoatra ireo iray tapitrisa efa voaangona manerana ny nosy dia mbola nitanjozotra ireo heverina fa hanampy tosika hitaky amin’ny alalan’ny sonia ny fakana ireo nosy mbola eo ampelatanan’ny vahiny.Fanalana ny fahantrana,famerenana ny tany tan-dalana ary ny fitakiana ny nosy manodidina moa na3F ny vina entiny mandresy lahatra ny mponina.Hentitra ny kandida faha-34 tamin’ny lahateniny nanitsy ireo mpanenjika azy fa”na sabata aza ny andro tsy an’ny Apokalypsy irery intsony izy rehefa lany eo ,raharaham-pirenena no resaka eto.””Tsy matahotra ny higadra na maty aho satria ny vahoaka malagasy tsy maty ho vonoina, raha ny firenena no antony”.Hoy izy sahy.
Nampitandremany daholo moa teto na ny tandrefana na ny tantsinanana manao an’Andriamanitra ho tsy misy ka manao barofo ny tanin’ny malagasy.”Na izany aza tsy miady amin’ny firenen-kafa isika fa vonona hiara-hiasa amin’ireo manaiky zara-mira”gagnant-gagnant”amin’ny harena trandrahina eto.”Araka ny fanazavany ihany.”Ny tanjaky ny sonia efa azo indray dia fenitra io eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.Efa vahoaka afaka ny malagasy ka tsy manaiky intsony ny ramatahora sy ny tsindry avy any ivelany.Hametraka fitoriana fiandry izahay hitory ireo mpangarona ny harin-karem-pirenena.”Hoy kosa tetsy andaniny ny Talen’ny fampielezan-kevitra,Paolo Raolinarivo.Roso araka izany ny dia ary tsy matahotra afa-tsy Andriamanitra ity mpirotsaka ho fidiana sy ireo heverina fa mitovy hevitra aminy.Fa tsy ny tombotsoam-bahoaka tokoa ve izany no narovana teto matoa miofo akondro vava ny isam-baravarana?
Vonjy Ny Aina C.E.

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

octobre 2018
L Ma Me J V S D
« sept    
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
293031