VALIMBABENA HO AN’I MADAGASIKARA: Entina hanovana ny rafitra politika | Madatopinfo

Madatopinfo

VALIMBABENA HO AN’I MADAGASIKARA: Entina hanovana ny rafitra politika

VALIMBABENA HO AN’I MADAGASIKARA: Entina hanovana ny rafitra politika

VALIMBABENA HO AN’I MADAGASIKARA: Entina hanovana ny rafitra politika
septembre 08
06:39 2018

Nampahafantarin’ny kandida Zafimahaleo Rasolondraosolo na i Dama tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny Pietra Hotel ny “Crowdfunding” na tsipaipaika valimbabena. Nisokatra niaraka tamin’izany ihany koa ny tranokala www.valimbabena.org. Raha ny nambaran’i Dama Mahaleo:”hanomezan-danja ny Fokonolona hitondra mankany amin’ny fampandrosoana isam-paritra ny valimbabena”. Natao ho an’ny olom-pirenena Malagasy rehetra eto an-toerana sy any ivelany izany. “Tsy raharahako izaho samy irery, fa raharahako izaho sy ianao. Tolo-tanana ara-bola na fitia tsy mba hetra ho fampivoarana an’i Madagasikara”, io no foto-kevitra entin’i Dama amin’ity valimbabena ity. Mba hanamora ny fahasahiranan’ny olona amin’ny fivezivezena, misy laharana an-tarobia afaka handraisan’ny olon-drehetra anjara hitondrany ny anjara biriky: 034 29 400 04 na 032 51 447 57.
Olom-pirenena efa manana traikefa avo lenta no hitantana ny vola rehetra, ary nambaran’i Dama hatrany fa mangarahara tanteraka ny fitantanana hitsinjovana ny taranaka ankehitriny sy ny ho avy.

Mickah Raharisoa

Partager

Articles connexes

Archives

novembre 2018
L Ma Me J V S D
« oct    
 1234
567891011
12131415161718
19202122232425
2627282930