FIAINAN’NY ORINASA : Tsy mitombona ny fanendrikendrehana an’Ambatovy | Madatopinfo

Madatopinfo

FIAINAN’NY ORINASA : Tsy mitombona ny fanendrikendrehana an’Ambatovy

FIAINAN’NY ORINASA : Tsy mitombona ny fanendrikendrehana an’Ambatovy

FIAINAN’NY ORINASA : Tsy mitombona ny fanendrikendrehana an’Ambatovy
septembre 05
20:06 2018

Sary : Ireo mpanao gazety avy aty Andrenivohitra niara-nitrandraka ny vaovao

Maro ny feo mandeha fa tsy manaja ny fenitra ara-pahasalamana sy ny tombotsoan’ny firenena Ambatovy. Ny fenitra iraisam-pirenena no itantanany ny mpiasa ary ny lalàna velona eto Madagasikara no arahiny amin’ny fitrandrahana. Ankoatra ny mpiasa, dia mahazo tombotsoa ihany koa ireo lavitra ny tena fitrandrahana tahaka an’ny Frera St-Gabriel.
Tsy marina ny feo miely fa tsy manaja mpiasa ny orinasam-pitrandrahana Nickel sy Combalt. Manana komity mihaino sy mamaly ireo tarainan’ny mpiasa sy ny mponina manodidina izy. Ny mahasamihafa ny karaman’ny vahiny dia fahita manerantany kanefa na izany aza tsy mifanalavitra, noho ireto farany mandao ny tanindrazany, tahaka ireo Malagasy miasa any ivelany ihany ka fehezin’ny lalàna iraisam-pirenena. Ireto vahiny ihany koa aza no tokony hitaraina satria tsy misy voaray ho mpiasa raikitra izy ireo fa efatra taona ihany, nefa ny Malagasy miasa any ivelany azo antoka fa misy lasa mpiasa raikitra. Ny Filoha Tale jeneraly, teratany Aostraliana, Stuart Macnaughton no mitantana ny orinasa Ambatovy, amin’izao fotoana izao. Tsy misy teratany vahiny manana fifanekem-piaraha-miasa mandram-pisotroandronono ao amin’ny orinasa fa efa-taona ihany, hatramin’io Lehibeny mpitantana io aza. Marihina fa mifanaja avokoa ny mpiasa rehetra ao. Ahazoana fampitandremana ny kitakita sy ny fanararaotana ny vehivavy.
Misava ny ahiahy ho an’ny mponin’ny Toamasina mikasika ny orinasa Ambatovy fa tsy misy entona mihanaka any an-toerana. Porofon’izany ny afofandiovana roa lehibe mijoalajoala mirehitra mandoro ireo ambina entona avy nampiasaina, izay tazana eo ambonin’ny orinasa. Toy ny isanandro ihany koa raha nitsidika ny orinasa ireo mpanao gazety 9 avy amin’ny haino aman-jery, avy aty Andrenivohitra, ny Talata 4 ka hatramin’ny Alakamisy 6 Septambra farany fa tsy misy irika famantarana tamin’ireo fitaovana raitra fitiliana sy kiririoka fanairana raha sanatria misy ny hamehana amin’ny loza. Ny dobo voajanahary anatin’ny faritra fanodinana ao amin’ny renivohitry ny Betsimisaraka ihany koa manaporofo ny tsy fisian’izany entona sy asidra izany amin’ny alalan’ny fahaveloman’ny trondro ao aminy. Tsy mitombina avokoa ireo fanenjehana be fahatany an’ity orinasa ity izay lazaina fa mandoto rivotra sy rano.
Heverina fa diso ihany koa ny feo aelin’ny mpanao politika fa 1% ihany no hetra alohan’ny orinasa fitrandrahana Nickel sy Cobalt amin’ny Fanjakana. Mahatratra 40 isa ny karazan-ketra aloha, hoy ny tomponandraikitra iray ka ny 1 amin’ireo 40 ireo io dradradrain’ny mpanao politika io. Io 1% io anefa tonga dia miala amin’ny varotra fa tsy tontaliana ny masonkarena, indrindra ny faty antoka nandritra ny taona maro lasa izay, noho ny fitotongan’ny vidin’ireo akora ireo manerantany. Vao tamin’ny volana Aprily farany teo vao vonona ny lalàna fakana hetra ka teo vao naka ireo karazan-ketra ny Fitondrana. Anisan’izany ny 20% tonga dia katsanana amin’ny karaman’ny mpiasa rehetra. Misy Faritra roa, Antsinana sy Alaotra Mangoro sy ditrika 5 ary Kaominina maro ao amin’izy ireo no misitraka ny hetra avy amin’Ambatovy. Kaominina iray ao amin’ny Faitra Alaotra Mangoro ohatra mahazo 11 miliara Ariary, raha 5 miliara fotsiny ny fanampiana avy amin’ny Fanjakana.
Asa soa miaraka amin’ny katolika
Ankoatra ny tombotsoa mivantana an’ireo mpiasa amin’ny velontena sy hamelomana vady aman-janaka sy ireo lavitra karazam-barotra sy asa migoka izany amin’ny orinasa dia maro ihany koa ireo mahazo tombotsoa amin’ny asa sosialy ataon’Ambatovy, tahaka ny fianarana rafitra an’i Fikambanan-drelijiozy St-Gabriel eo Anjoma, Toamasina. “Ireo karazan-kazo lafika na fonon’entan’Ambatovy izay efa fanary dia manampy ireo mpianatra avy amin’ny finoana samihafa entina hanaovana andrana eto amin’ny sekoly fanofanana rafitra. Eto aminay ihany koa no maka ireo karazan-kazo hanaovana fanadinam-panjakana ny lisea teknika. Mampagaga anefa, ireo hazo efa avy nampiasaina ho fonon’entana sy lafika ireo dia saika hakan’ny Ministeran’ny Vola sy ny Tetibola haba indray. Misy amin’ireo hazo ireo no arafitray mba hanampiana ireo tanora mianatra eto, na hanangananay orinasa ho azy ireo raha misy tanora 10 mivondrona na ireo nahavita fianarana.” Hoy i Frera Ignace de Loyola Rafanomezantsoa, talen’ny fanofanana arakasa, raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety ny Alarobia 5 Septambra tolakandro.
Manoloana ny feo mandeha amin’ny tsy fanajana ny tontolo iainana, misy mpiasa mamerina ny laoniny ny zavamaniry sy ny biby eo amin’ny tany avy nitrandrahana. Mandray antanana mihoatra ny asany azan y orinasa, raha tsy ilaza afatsy ny fitairizana ireo vakoka hita tanaty tany izay hiarahana amin’ny Sampampianarana rakitriniela sy vakoka ao amin’ny anjerimanontolon’ny Toamasina.
Hatramin’ny 2042
Nanomboka ny taona ny taona 2012 ny orinasa fitrandrahana harena ankibon’ny tany Ambatovy. Maharitra 30 taona eo eo ny fitrandrahana ny otrikarena Nickel sy Cobalt ao Moramanga, izany hoe hatramin’ny 2042 ny asa. Ny orinasa fanodinana ao Toamasina kosa dia maharitra 50 taona raha ny fampitam-baovao eo anivon’ny seraseran’ny orinasa, izany hoe hatramin’ny 2052. Azo atao mantsy ny maka tany any an-kafa na manafatra raha mbola hanohy ny fanodinana ny orinasa na lany aza ny teo amin’ny fitrandrahana. Tsy fifanekempiaraha-miasa no misy eo amin’ny Fanjakana Malagasy ankilany sy ny mpitrandraka ahitana ny Sherritt sy Sumitomo ary Kores andaniny; fa kosa araka ny lalàna velona mifehy ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany eto amin’ny tanin’ny Repoblika Malagasy izay navoaka ofisialy tamin’ny fitondran’ny Amiraly Didier Ratsiraka ary nasiam-panavaozana tamin’ny andron’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Ambatovy no orinasam-pitrandrahana lehibe indrindra sady voalohany eto amin’ny Nosy, mahatratra 8 miliara Dolara Amerikana ny renivola miasa, ka tsy mahagaga raha ny honohono no manjaka satria tsy mahazatra. Izy no nanagana ny fotodrafitrasa rehetra, anisan’ny izany ny herinaratra izay mahavokatra 120 Mégawatt raha 80 MGW no ilainy. Mahatratra 220 km halavan’ny fantsona mpitondra fotaka avy any Ambatovy Moramanga izay hosivanina amin’ny alalan’ny asidra hanavahana ny Nickel sy Cobalt aty Toamasina. Ampafantarina hatrany fa ranontany iray taonina avy any akaikinin’ny Renivohitry ny Bezanozano no hany mba ahazoana ireo akora aondrana ireo 10kg fotsiny. Mahatratra 60 000 taonina ny Nickel ary 5 600 ny Cobalt aondrana isan-taona ka 13 600 Dolara ny vidin’ny Nickel iray taonina ary 65.000 Dolara Amerikanina ny taonina ny Cobalt izay aondrana any London Metal Exchange, izay tsena iraisam-pirenena any amin’ny Renivohitry ny Anglisy no mividy azy ireo.Tamin’ny vanim-potoana nanangana ny orinasa dia nahatratra 18.000 ny mpiasa raha antsasany akehitriny. Ireo mpiasa fototra mpitrandraka sy mpanodina tamin’ny taona 2012 dia nandeha nampiofanina sy naka traikefa tany Canada. Taty aoriana kosa ireo mpampiofana teratany vahiny no nalaina nanofana teto an-toerana ary ireo voaofana sy ireo vahiny karamaina miasa nodidiana hampianatra ny zazavao ka amin’izao fotoana anoratana izao dia mahatratra 93% ny Malagasy. Marihina anefa fa mbola mahatratra karazam-pirenena 40 fiavian’ireo mpiasa rehetra; ka ny teny Angilsy sy teny Frantsay ary ny teny Malagasy no tenim-pirenena ifananeraserana anaty orinasam-pitrandrahana.
Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny mponina manodidina dia ala sy tanety ary tanana nahitana fasana no nananganana ny orinasam-panodinana Toamasina. Nanaiky hizaka ny onitra sy nanangana fotodrafitrasa ireo teratany vahiny tompon’ny orinasa ka izay antony noheverina fa tsy dia nisian’ny korontana tahaka ny fitrandrahana fasimainty ao Toliary ankehitriny. Marihina fa nizaka tanteraka ny fananganana fotodrafitrasa fototra sy ny fombafomba antrôpôlojika maha-Malagasy tamin’ny famindrana ny razana teo amin’ny faritra izy ireo, tahaka ny famadihana arahina vary bemenaka, antso razana, taridalan’ny mpanandro …
Haja Nirina

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

septembre 2018
L Ma Me J V S D
« août    
 12
3456789
10111213141516
17181920212223
24252627282930