TABERA RANDRIAMANANTSOA : “Kandidan’ny fiandrianana, tsy manaiky ny tsindry avy any ivelany” | Madatopinfo

Madatopinfo

TABERA RANDRIAMANANTSOA : “Kandidan’ny fiandrianana, tsy manaiky ny tsindry avy any ivelany”

TABERA RANDRIAMANANTSOA : “Kandidan’ny fiandrianana, tsy manaiky ny tsindry avy any ivelany”

TABERA RANDRIAMANANTSOA : “Kandidan’ny fiandrianana, tsy manaiky ny tsindry avy any ivelany”
septembre 04
19:24 2018

Nilaza ho mpanindraindra ny fiandrianam-pirenena sy ny fahaleovan-tena i Tabera Randriamanantsoa, Filohan’ny antoko Kintana. “Kandidan’ny fiandrianan’ny firenena Malagasy, tsy manaiky ny endrika tsindry avy any amin’ny firenen-kafa.Tsy mila ny fanilihana an-kolaka”ni-ni” sy ny baikon’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena ny antoko kintana,” raha ny nambaran’ny Filohany tetsy amin’ny hotely “le Bordon voyages”Tsaralalana ny 31 Aogositra lasa teo, nandritra ny fitokanany ny”QG”n’ny antoko. Midika izany fa tsy hoe tsy asiana akory ny fifidianana fa azo atao fitsapahan-kevi-bahoaka hanitsiana ny rafitra mampangalatra mpitondra sy ny lalam-panorenana io daty io ary ny volana Mey ny ho filoham-pirenena, raha ny hevitr’ ireo ao amin’ny antoko Kintana. Raha tsy maintsy mandeha ny fifidianana ka”raha lany ny tenany dia haato aloha ny fifandraisana avy any ivelany,hatao ny fanorenana ifotony, ny fanarenam-pirenena,izay vao averiny indray ny fifidianana.” Alohan’izany anefa dia miangavy an’i Andry Rajoelina sy ny rehetra hifampiresaka.”Aza diso fahavalo isika ka hifanenjika fa ny avy any ivelany no tena fototry ny olana.Tsy regionalista koa ny tenako” hoy Tabera Randriamanantsoa tamin’ny fanontanian’ny mpanao gazety.”Efa vonona ny tenako ka tsy matahotra ny ho faty amin’izany ady atrehako izany ary manentana ny malagasy rehetra hanomboka dieny izao”raha ny fanazavany .”Tsipihiko fa tsy UNDD aho fa novolavolain’ny CRN ary nanomboka tamin’ny 2002 izahay no niaraka tamin’i presida Albert Zafy nitaky ny fampihavanam-pirenena”hoy ity ombalahy be vozona ka tsy mifidy tany iadiana ity.Midika izany fa vonona izy hifampiresaka, hiatrika fifidianana, hanao fanorenana ifotony ihany koa mifandraika amin’ izay ilain’ny firenena sy ny vahoaka. Efa betsaka anefa no nanatosaka hevitra toy izany fa toa tsy misy mihaino intsony raha ny mpanao politika sy ny fiaraha-monim-pirenena no asiana teny.
Claude Eric Vonjy Ny Aina

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

novembre 2018
L Ma Me J V S D
« oct    
 1234
567891011
12131415161718
19202122232425
2627282930