BLACK NADIA: Namoaka hira vaovao “Iha namako avao” | Madatopinfo

Madatopinfo

BLACK NADIA: Namoaka hira vaovao “Iha namako avao”

BLACK NADIA: Namoaka hira vaovao “Iha namako avao”

BLACK NADIA: Namoaka hira vaovao “Iha namako avao”
août 31
06:57 2018

Tsy dia hita ny tarika Black Nadia tato ho ato, mbola nifantoka tanteraka tamin’ny fitetezam-paritra “Mizara karatse tour” nanerana an’i Madagasikara. Na izany aza, tsy mitsahatra manome fahafaham-po ho an’ny mpakafy ny tarika. Nivoaka tamin’ny zoma lasa teo ny hira vaovao be, mitondra ny lohateny hoe: “Iha namako avao”. Efa nivoaka ihany koa ny raki-tsarin’io hira io, izay amin’ny kalitao raitra dia raitra.
Teto Madagasikara sy tany ampita no nanodinana ny raki-tsary. Tsy afaka am-bavan’ny mpakafy sahady ny “Iha namako avao”, ary efa miparitaka amin’ny haino aman-jery sy amin’ny tambazotra-tserasera isan-karazany. Hira natao ho an’ny sala-taona rehetra ity hira ity, somary mihetsiketsika, mampandihy. Tsy ho ela dia hisy vokatra vaovao indray avoakan’ny tarika Black Nadia.

Mickah Raharisoa

Partager

Articles connexes

Archives

septembre 2018
L Ma Me J V S D
« août    
 12
3456789
10111213141516
17181920212223
24252627282930