FANOA. ZAVAKANTO SY FIAINAM-PIRENENA : Horonan-tsarimihetsika 3 hanentana hifidy | Madatopinfo

Madatopinfo

FANOA. ZAVAKANTO SY FIAINAM-PIRENENA : Horonan-tsarimihetsika 3 hanentana hifidy

FANOA. ZAVAKANTO SY FIAINAM-PIRENENA : Horonan-tsarimihetsika 3 hanentana hifidy

FANOA. ZAVAKANTO SY FIAINAM-PIRENENA : Horonan-tsarimihetsika 3 hanentana hifidy
août 30
14:31 2018

“Hisy sarimihetsika dimy havoaka amin’izao fiofanana izao izay efa nanomboka ny Alakamisy 23 Aogositra teo. Ny telo amin’ireo horonan-tsarimihetsika fohy ireo, rehefa avy nosafidian’ny vahoaka sy ny mpitsara voatokana dia hahazo fankasitrahana avy amin’ny tetik’asa FANOA sy ny Vondrona Eropeanina. Paikady entina hendresendahatra amin’ny fifidianana no tanjona ka miompana amin’izay ny lohahevitra.” Araka ny fampitam-baovaon’i Hariniaina Rakotobe, mpiandraikitra ny Serasera eo anivon’ny Tetik’asa FANOA, manoloana ny mpanao gazety ny Alatsinainy faha- 27 an’ity volana ity teo amin’ny Ivontoeran’ny Tatikasa sy ny Fohiben’ny Hetsika ROHY, Ambatonakanga . Aorian’ny fampianarana sy fampiofanana ireo zatovo mpanentana hiantsehatra amin’ny “zavakanto fahafito”, dia hiroso amin’ny fanatanterahana sy ny fanatontosana. Ireo tanora nampiofanina ireo ihany no mandrafitra ny fizotra sy ny rafitry ny tantara. Misy matianina mitarika sy manatontosa izany fa ny fampintaovana kosa entohan’ny FANOA, araka ny fanambaran’ny mpiandraikitra ny Serasera hatrany.
Tsahivina fa hisy ny fitaovana hozaraina amin’ny mpanentana izay mitotaly 3 000 eo eo manerana ny Faritra enina izay iasan’ny tetik’asa ka ny sarimihetsika izay vokarina dia anisan’izany mba ho entina hanampy ny fanentanana amin’izany fampirisihina ny olompirenena handray andraikitra amin’ny fifidianana izany, tahaka ny fisafidianana izay mpirotsaka ho fidiana mendrika sy ny fiarovana ny safidy. Antony nisafidianana ny tanora dia iaraha-mahalala fa izy samy tanora no afaka hifandresy lahatra. Ankoatra izay ihany koa, ny lafiny sarimihetsika dia anisan’ny mahaliana azy ireo. Miseho amin’ny endrika maro ny fanentanana ny Malagasy hifidy arak any fanabeazana sy ny ezaka ataon’ny FANOA. Fantatra mantsy fa tsy ampya haharesy lahatra ny olona handatsa-bato ny filazana fotsiny hoe : “Andao hifidy”, hoy hatrany i Hariniaina Rakotobe.
Haja Nirina

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

septembre 2018
L Ma Me J V S D
« août    
 12
3456789
10111213141516
17181920212223
24252627282930