FIFIDIANANA 2018: Manahy korontana ny kandida Arlette Ramaroson | Madatopinfo

Madatopinfo

FIFIDIANANA 2018: Manahy korontana ny kandida Arlette Ramaroson

FIFIDIANANA 2018: Manahy korontana ny kandida Arlette Ramaroson

FIFIDIANANA 2018: Manahy korontana ny kandida Arlette Ramaroson
août 28
08:58 2018

Afaka roa volana sy tapany no hiatrika fifidianana Filoham-pirenena ny vahoaka Malagasy. Raha tsiahivina, 36 ireo kandida neken’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) izay efa nivoaka ny Alarobia lasa teo, ny Alahady teo kosa ny fisarihana ireo laharana ao anaty bileta tokana. Misy amin’ireo kandida ireo no efa manao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana, mamory vahoaka ankalamanjana, maka artista, mizara vola sy “t-shirt”.
Manoloana izany indrindra, nanao fanambarana goavana ny kandida Arlette Ramaroson omaly teny Ivato: “Misy amin’ireo mpifaninana ireo manaja ny lalam-pifidianana, manaja ny daty tokony hanaovana fampielezan-kevitra. Tsy vitsy ihany koa ireo kandida tsy manaja izany, mividy vato”. Mahakasika ny datim-pifidianana indray, tsy manaiky ny 7 Novambra ny Antoko VTTFM (Vondrona Tia Tanindrazana ho an’ny Fanorenana an’i Madagasikara) izay tarihin’ny kandida Arlette Ramaroson: “Miantso ny kandida rehetra izahay, hiara-hikaondoha hanohitra io daty io amin’izao korontana, tsy fahandriampahalemana mitranga izao”. Fotoana izao hoy hatrany izy hanadiovana ny kolikoly etsy sy eroa sy hananganana Madagasikara vaovao.

Mickah Raharisoa

Partager

Articles connexes

Archives

novembre 2018
L Ma Me J V S D
« oct    
 1234
567891011
12131415161718
19202122232425
2627282930