ARLETTE RAMAROSON: Manameloka ny tsy rariny manjaka ankehitriny | Madatopinfo

Madatopinfo

ARLETTE RAMAROSON: Manameloka ny tsy rariny manjaka ankehitriny

ARLETTE RAMAROSON: Manameloka ny tsy rariny manjaka ankehitriny

ARLETTE RAMAROSON: Manameloka ny tsy rariny manjaka ankehitriny
août 28
08:19 2018

Vehivavy voalohany nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny filatsahan-kofidiana Filoham-pirenena i Arlette Ramaroson ny volana Febroary lasa teo. Kandida izay atolotry ny Antoko VTTFM (Vondrona Tia Tanindrazana ho an’ny Fanorenana an’i Madagasikara). Laharam-pahamehana ho azy ny ady amin’ny kolikoly, sosialim-bahoaka, fametrahana tany tan-dalàna ary indrindra tsy mikatsaka ny tombotsoan’olom-bitsy. Nilaza ny heviny mahakasika ny fanotorana tany etsy sy eroa ny tenany, “tompon’andraikitra voalohany amin’izany zava-mitranga izany ny fitondrana am-perinasa. Mitaky ihany koa izahay ireo loharanon-jo ahafahana manao ireny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany”.
Efa herinandro maro ihany koa izay no nivoaka ny raharaha “Toliara Sands”, mbola tsy nisy valiteny mahafa-po azo avy amin’ny Fitondran-panjakana. “Endrika fanapotehana, famonoana ny Malagasy io Toliara Sands io, tsy hijanona ao Toliara ihany io fa hiparitaka tsikelikely manerana ny Nosy. Koa manainga antsika Malagasy rehetra ny tenako mba hiara-hientana hanohitra izany”. Manao antso avo ireo fikambanana ihany koa i Arlette Ramaroson mba hijoro hiady amin’ny tsy rariny amin’izao fotoana izao. Miara-ory amin’ireo vahoaka iharan’ny tsindry hazolena ny tenany sy ny Antoko politika misy azy. Manaitra ny sain’ny vahoaka Malagasy noho izany Ramatoa Arlette Ramaroson mba tsy hiraviravy tanana manoloana izao tranga miseho eto Madagasikara izao. Fanamby apetrany ho an’ny vahoaka Malagasy mantsy ny hamerenana manontolo ny tany izay nalaina an-keriny tamin’izy ireo, ary hanajana tanteraka ny zon’olombelona.

Mickah Raharisoa

Partager

Articles connexes

Archives

septembre 2018
L Ma Me J V S D
« août    
 12
3456789
10111213141516
17181920212223
24252627282930