ARLETTE RAMAROSON : Kandida vonona sy nahafeno ny fepetra | Madatopinfo

Madatopinfo

ARLETTE RAMAROSON : Kandida vonona sy nahafeno ny fepetra

ARLETTE RAMAROSON : Kandida vonona sy nahafeno ny fepetra

ARLETTE RAMAROSON : Kandida vonona sy nahafeno ny fepetra
août 27
12:23 2018

SARY : Arlette RAMAROSON nanao an-tsapaka ny laharany faha-18 teo amin’ny CENI ny Asabotsy 25 Aogositra 2018.

Nisongadina tamin’ireo kandida18 nandrasana ka tonga tamin’ny andro nifaranan’ny fe-potoana fametrahana dosie teny Ambohidahy Ramatoa Arlette Ramaroson avy amin’ny VTTFM fa kosa nirotsaka tamin’ny fanangonan-tsonia na”parraignage”.nahafeno tanteraka ny fepetra amin’izany izy araka ny “decision n*26/HCC/D3 du 22Aout2018″.”Nankaiza ny harena no nijaly toy izao isika tao anatin’ny 58 taona nahazoana fahaleovan-tena.”Ambetiteniny io teny Ambohidahy.”Misy ny milaza fa hanandratra, ao ny miteny fa hanarina, hasandratra amin’ny inona? Harenina amin’ny inona?Amin’ity rafi-pitantanana sy lalana efa nopotehina ve?”hoy ity mpitsara iraisam-pirenena ity tsy niolaka. Noho izany dia fanorenana Madagasikara vaovao mihitsy no vaindohan-draharahany raha izy no iantefan’ nysafidin’ny vahoaka masi-mandidy.”Tsy mbola manomboka akory aza dia efa samy manao izay saim-patany daholo ka mangataka ny rehetra izahay hanara-maso sy hanapotsitra ny tsy mety hitany mandritra ny fifidianana; mba samy ho mailo koa hanara-maso ny harena amin’ity vola aparitaka etsy sy eroa dieny izao sahady.”Hoy izy tena nalahelo ny manjo ity firenena.Miavaka tokoa izy amin’ny maha reny azy fa eo koa ny fitiavan-tanindrazana ananany sy ny fitakiana ny tsy rariny ka mahatonga ny malagasy mahantra, mandry eo ambony harena efa nahalalana azy hatramin’izay.
Claude Eric VONJY NY AINA

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

novembre 2018
L Ma Me J V S D
« oct    
 1234
567891011
12131415161718
19202122232425
2627282930