ROLAND RATSIRAKA : Kandidan’ny fihavanana | Madatopinfo

Madatopinfo

ROLAND RATSIRAKA : Kandidan’ny fihavanana

ROLAND RATSIRAKA : Kandidan’ny fihavanana

ROLAND RATSIRAKA : Kandidan’ny fihavanana
août 27
12:13 2018

Matipaika! Anisan’ireo mpifaninana 36 tafiditra tamin ‘ny lisitra navoakan’ny HCC araka ny laharana faha- 26/HCC/D3,du22 Aout2018″teo ny Filohan’ny antoko MTS na Malagasy Tonga Saina. Izy izay te hitondra ny traikefany amin’ny sehatra ambonimbony kokoa. Nandritra ilay hetsika goavana nampahafantarana ny RIR na Rindra Iavian’ny Raitra ho an’i Madagasikara, ny alahady 19Aogositra teo teny Antsonjombe no nanambarany tamin’ny fomba ofisialy ny maha kandida mpifaninana azy amin’ny fifidianana hatao ny 07 Novambra ho avy izao.Ny ampitson’io ihany , izany, hoe 20 Aogositra dia izy tenany mihitsy no nitarika ny delegasiona nanatitra ny disie tetsy Ambohidahy.Hiompana amin’ny sosialim-bahoaka no imasoany raha ny vinanasany toy ny fanomezana asa ny tanora,fanamboarana fotodrafitrasa,ny lalana, ny fanajariana ny trano, ny jiro sy rano, ny fitantanana ny fako sy ny fifamoivoizana… Fa ny tena zava-dehibe dia ny hamerenana ny soatoavina firaisankina sy fihavanana ao anaty tany tan-dalana sy fandriam-pahalemana izay toa mitady ho rava. Raha bangoina dia ny maha-olona manontolo no halany ao anaty fahantrana. Izy izay efa ben’ny tanana nandritra ny fotoana maro sy efa Minisitra ihany koa teo aloha. Hifaninana amin’ny rahalahan-drainy izy, dia ny Amiraly Didier Ratsiraka.
Claude Eric VONJY NY AINA

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

novembre 2018
L Ma Me J V S D
« oct    
 1234
567891011
12131415161718
19202122232425
2627282930