KANTO. DIA AMIN’NY HOSODOKA FAHA-4 : «Ny olona sy ny fiainan’ny Malagasy no asongadina », hoy Mistery | Madatopinfo

Madatopinfo

KANTO. DIA AMIN’NY HOSODOKA FAHA-4 : «Ny olona sy ny fiainan’ny Malagasy no asongadina », hoy Mistery

KANTO. DIA AMIN’NY HOSODOKA FAHA-4 : «Ny olona sy ny fiainan’ny Malagasy no asongadina », hoy Mistery

KANTO. DIA AMIN’NY HOSODOKA FAHA-4 : «Ny olona sy ny fiainan’ny Malagasy no asongadina », hoy Mistery
août 09
09:41 2018

«Mampiseho ny endrika amam-bikan’ny olombelona, ny tontolo iainana sy ny maha-malagasy. Tsy mamorona zavatra tsy misy fa ireo fahita amin’ny fiainana andavanandro no ezahina avoitra». Io no fanambaran’i Roland Moïse Razanadrakoto na i Mistery raha nitafa tamin’ny mpanao gazetinay, mikasika ny fampirantiana andiany faha-efatra amin’ny dian’ny hosodoko, izay tanterahina eo amin’ny Tahala Rarihasina, nanomboka ny 6 Aogositra ary hifarana ny 18 Aogositra 2018.
Dimy ambin’ny folo mirahalahy no mifanao tantsoroka amin’ny hetsika. Misy mpandray anjara vaovao, marihina fa misy ireo tanora vao misondrotra isan-taona miatrika ny fampirantiana. Samy manana ny mampiavaka azy avy izy ireo amin’ny lafiny sangan’asa. Ny tanora sahy miseho ny sehatra no manatona ireo efa mpamaky lay hatrizay. Ireto farany manivana amin’ny alalan’ny kalitao mba ialana amin’ny fahasimban’ny endriky ny hetsika fanao isan-taona. Ny endrika sy bika, tahaka ny fahitana ny olombelona no hibikana ny hatsaran’ny sary hosodoko iray, araka ny fampitam-baovao hatrany nataon’i Roland Moïse Razanadrakoto.
Ny teratany vahiny no voasinton’ny kanto Malagasy. Mihevitra ity andrarezin’ny sary hosodoko ity fa nisy akony tamin’ny fampirantiana ny fihemoran’ny vakansin’ny mpianatra. « Isan-taona volana Aogositra toy izao no fanaovanay ity hetsika ara-javakanto ity. Tsikaritra anefa fa noho ny fihemoran’ny fialantsasatry ny mpianatra dia vitsy ireto farany raha mitaha amin’ny mpitsidika isan-taona”, hoy hatrany ny tompon’ny art Mistery. Mbola tara lavitra amin’ireo teratany vahiny ny Malagasy manoloana ny fibanjinana sy fankafizana ary ny famakafakana ny hevitra ampitain’ny endriky ny sary hosodoko. Mitaky fanabeazana sy kolotsaina izany. Heverina fa noho ny fahasahiranana ara-pivelomana ihany koa fa variana mibanjina ny filana andavanandro no antony mahatonga ny Malagasy tsy miatsampy amin’ny fitiavana zava-kanto.
Haja Nirina

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

août 2018
L Ma Me J V S D
« juil    
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031