FANDIO. FAKAN-KEVITRA HANAMPIANA IZAY HO FILOHAM-PIRENENA : Ho raiketina anaty boky fotsy ny hetaheta sy ny maharary ireo olompirenena | Madatopinfo

Madatopinfo

FANDIO. FAKAN-KEVITRA HANAMPIANA IZAY HO FILOHAM-PIRENENA : Ho raiketina anaty boky fotsy ny hetaheta sy ny maharary ireo olompirenena

FANDIO. FAKAN-KEVITRA HANAMPIANA IZAY HO FILOHAM-PIRENENA : Ho raiketina anaty boky fotsy ny hetaheta sy ny maharary ireo olompirenena

FANDIO. FAKAN-KEVITRA HANAMPIANA IZAY HO FILOHAM-PIRENENA : Ho raiketina anaty boky fotsy ny hetaheta sy ny maharary ireo olompirenena
août 09
09:21 2018

Ambanja izay hanataterahina ny fakan-kevitry ny firaisamonim-pirenena sisa no andrasana amin’ity herinandro ity dia hiroso amin’ny fandravonana sy ny fankatoavana ary ny famoahana ireo hetahetan’ny olompirenena maneran ny Nosy ny FANDIO, ao amin’ny Hetsika ROHY. Raha nisongadina teto Antananarivo ny tokony ho fampandroasoana ankapobeny an’i Madagasikara, dia niompana amin’ny fampandrosoana any ifotony kosa ireo faniriana avy amin’ny Faritany hafa ho tetikasan’izay ho Filohan’ny Repoblika ho avy eo.

Tsy te hanan-dratsy! “Anisan’ny ao amin’ny tanjona manokana fahatelon’ny tetik’asa FANDIO ny hanampy ny olom-pirenena amin’ny fifidianana sy ny fijerena akaiky ireo vinan’ny kandida izay hirotsaka. Ho amin’izany indrindra no hanatanterahina izao atrik’asa fakan-kevitry ny firaisamonim-pirenena isam-paritany izao. Ho raiketina anaty boky fotsin’ny fiarahamonim-pirenena ny hetahetan’ny olompirenena mahakasika ny fampandrosoana, ny sosokevitra ary ny filazana izay tena maharary azy ireo, amin’ny alalan’ireo solontenan’ny Firaisamonim-pirenena avy amin’ny Faritra maro mandrafitra ny Faritany.” Io no fanambaran’i Harindranto Rakotomalala, Lehiben’ny tetikasa FANDIO, manoloana ny mpanao gazety, ny Alakamisy 2 Aogositra tao Mangarivotra Mahajanga. Marihina moa fa efa vita avokoa ny fakan-kevitra amin’ny Faritany 5 fa ny Faritan’Antsiranana sisa no andrasana amin’ity herinandro ity, izay hatao ao Ambanja. Rehefa vita ny angon-kevitra mahakasika ny hetahetan’ny mponina rehetra manerana ny Nosy dia hiroso amin’ny dingan’ny fandravonana ary arahin’ny fankatoavana izay iantsoana ny solontena’ireo firaisamonim-pirenena 300 mpandray anjara izay ho tanterahina eo amin’ny Foiben’ny tetikasa FANDIO eo Ambatonakanga.
Aorian’izany izay arahina fanatsarana hatrany, dia havadika teny Frantsay sy teny Malagasy mora azo ireo fanirian’ny vahoaka Malagasy manerana ny Faritany enina ireo. Ankoatra ireo boky amin’ny tenim-pirenena roa izay hirakitra izany amin’ny antsipirihiny, nampanantena hatrany ny tomponandraikitra voalohan’ny Tetikasa fa hamintina ny hevitra anaty boky kely hafa fanintelony mba ho mora kirakiraina. Hapariaka amin’ny tambazotram-piarahamonina sy ny haino aman-jery avy hatrany izany. Tsahivina fa mahatsapa ho manana adidy amin’ireo mpirotsaka ho fidiana ho Filoham-pirenena rehetra ny FANDIO mba hiara-mijery sy hifampiresaka ary hamakafaka izany tahirin-kevitra izany. Hofakafakaina amin’ny alalan’io boky fotsin’ny Firaisamonim-pirenena io ihany koa ny fampanantena’ireo kandida. Misokatra ho an’ny olompirenena rehetra ny tahirin-kevitra fa tsy misy hoe : “omena na tsy omena ny mpanao politika ihany”, hoy hatrany i Harindranto Rakotomalala, raha namarana ny atrik’asa tao amin’ny Renivohitry ny Sakalava Boina. Entina hanampy ny mpifidy mba hanazava ny safidin’izy ireo no tanjona ka mitoetra ho fitaratra ho amin’ny fampandrosoana an’ I Madagasikara izay Nosy iombonana no tanjona farany. Fanirian’ny mpiantsehatra ao amin’ny tetikasa ny mba hihainoan’ny olom-boafidy ny hetahetan’ny vahoaka entiny. Samy tsy te hanan-dratsy intsony na ny vahoaka, na ny Firaisamonim-pirenena, na ny Tetikasa FANDIO ao amin’ny Hetsika ROHY, izay vatsian’ny Vondrona Eoropenina vola ka izay indrindra no antom-pisian’izao fakan-kevitra izao, miainga avy any ifotony izao.
Fady sy fomban-drazana
Anisan’ny nisongadina tamin’ireo hetahetan’ny mponina avy any amin’ny Faritra ny fijerena akaiky ny fomba sy ny fihariana harena any ifotony. Nohamafisin’ireo mpandray anjara tamin’ny fandraisam-pitenena tao Mahajanga ny fanomezan-danja manokana ny fahazarana sy ny fady. Resy lahatra izy ireo fa hajain’ny olona kokoa ny fady sy ny fomban-drazana manoloana ny lalàna. Ankinina amin’ny fitondrana izay ho avy eo ny fahaizana mamadika ny lalàna ho fomba, ary ny fomba ama-panao hivadika ho lalàna (droit coutumier) ka hifanaraka ny kolontsaina Malagasy sy ny lalàna velona, indrindra ny zon’olombelona maneran-tany. Ny kolikoly no heverina maharesy tosika ny herin’ny lalàna, indrindra manoloana ireo mpiasan’ny Fitsarana sy ny Fandriampahalemana ary ireo mpitantana amin’ny sehatra maron’ny fitondram-panjakana. Hita taratra, tamin’ny tosakevitra avy amin’ireo firaisamonim-pirenena nandray anjara ihany koa fa ny fanarenana ara-toekarena any ifotony no andrandraina amin’ireo izay hitondra aorian’ny fifidianana. Marihina mantsy fa ny angon-kevitra teto Andrenivohitr’i Madagasikara dia nanome lanja ny faniriana ankapobeny kokoa. Nisongadina manokana, raha ny tao amin’ny Renivohitry ny Sakalava Boina ny fanajana ireo tontolo iainana sy harena voajanahary arovana amin’ny alalan’ny fady sy ny fomba amam-panao. Nisongadina ihany koa ny ho fitrandrahana ny herinaratra avy amin’ny angovo azo avaozina.
Tsahivina fa ankoatra io tanjona manokana voalaza eo ambony io izay manampy ny olompirenena amin’ny zotram-pifidianana sy hahay hisafidy izay mpirotsaka hp fidiana mendrika hampandroso an’i Madagasikara dia misy tanjona hafa roa an’ny FANDIO. Tanjona manokana voalohan’ny tetikasa ny mba handraisan’ny olom-pirenena andraikitra, amin’ny alalan’ny firaisamonim-pirenena, ho amin’ny fanatsarana hatrany ny lalàna isan-karazany sy ireo rafitra momban’ny Fifidianana. Tanjona manokana faharoa ny hampandraisana anjara ny olompirenena sy ny fiarahamonim-pirenena hiady amin’ny endrika kolikoly sy fomba ratsy fanao amin’ny zotram-pifidianana. Ny tetikasa FANDIO, araka ny efa nahalalana azy hatrizay izay tetikasa tarihin’ny firaisamonim-pirenena mivondrona ao amin’ny Hetsika ROHY, dia natao indrindra handraisan’ny olompirenena anjara amin’ny alalan’ny firaisamonim-pirenena amin’ny zotram-pifidianana iray manontolo. Eo am-piandrasana ny tohin’ireo atrikasa maro tao amin’ny FANDIO ary ny mpanara-baovao, indrindra ny ho vokany aazo tsapain-tanana avy amin’izany ho fampandrosoana an’i Madagasikara.
Haja Nirina

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

octobre 2018
L Ma Me J V S D
« sept    
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
293031