TANTSOROKY NY TSY MIANKINA SY NY FANJAKANA : Notokanan’ny Minisitry ny Fampianarana Teknika ny ivom-piofanana PIF TIC | Madatopinfo

Madatopinfo

TANTSOROKY NY TSY MIANKINA SY NY FANJAKANA : Notokanan’ny Minisitry ny Fampianarana Teknika ny ivom-piofanana PIF TIC

TANTSOROKY NY TSY MIANKINA SY NY FANJAKANA : Notokanan’ny Minisitry ny Fampianarana Teknika ny ivom-piofanana PIF TIC

TANTSOROKY NY TSY MIANKINA SY NY FANJAKANA : Notokanan’ny Minisitry ny Fampianarana Teknika ny ivom-piofanana PIF TIC
août 09
09:11 2018

“Point d’Information et Formation utilisant les TIC” na Ivom-baovao sy fanofanana mampiasa haitaon’ny fampitam-baovao sy serasera no anaran’ny toerana ifandrombonan’ny Fanjakana sy ny tsy miankina eo Ampefiloha. Tonga nitokana izany ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa ary ny mpiara-miombon’antoka tahaka ny Firaisamonim-pirenena OPTA na olom-pirenena mandray andraikitra, ny Alatsinainy 30 Jolay farany teo. “Misokatra amin’ireo vonona hiara-hiasa hatrany ny Ministera. Mahatratra 15 tapitrisa ireo tanora manerana ny Nosy mila fianarana sy fiofanana”. Io no tenin’ny Minisitra Lydia Aimée Vololona Rahantasoa . Tanjon’ity fanantontoloana teknolojika ifanomezam-baovao sy fanofanana ity ny ho fanovozana loharanom-pahalalana ho an’ny olom-pirenena. Nanamarika ny tomponandraikitra fa misy fandraisana anjara ho an’ireo mpiofana. Maharitra roa andro ny fiofanana.
Efa nahatratra 13 ny ivon-toerana nisokatra. Andrasana amin’izany fiofanana izany ny fahalalana tsotsotra izay tena ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Nijoro vaolombelona ny raim-pianakaviana mpiofana iray. “Izay tsy hain’ny Fanjakana vitanay mponina. Nahitana vokatra azo tsapain-tanana ny fampiasana ny fiofanana amin’ny kirakira finday izay ifaneraseran’ny vahoaka. Efa volana maro izao no tsy nisy dahalo tafakatra, na nisy nangalatra omby fa voasakana hatrany tamin’ny kizo. Tsy voatery hiantso vonjy hihorakoraka fa mifampiantso amin’ny finday mba hisian’ny fahamalinana sy firaisan-kina.” Araka ny fanambaran’ny mpikambana iray ao amin’ny FIKRITAMA, André Modeste Ratsimbazafy, avy any Ambalavao Fianaratsoa. Maro ireo toeram-piofanana eto amin’ny Nosy no mila fitohizany amin’ny fanampiana toy izao.
Haja Nirina/ Anja Malala

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

décembre 2018
L Ma Me J V S D
« nov    
 12
3456789
10111213141516
17181920212223
24252627282930
31