FANKALAZANA NY FAHA-40 TAONAN’NY FIZAFATO : “Reseo amin’ny tsara ny ratsy”, hoy i Jean de Dieu Maharante | Madatopinfo

Madatopinfo

FANKALAZANA NY FAHA-40 TAONAN’NY FIZAFATO : “Reseo amin’ny tsara ny ratsy”, hoy i Jean de Dieu Maharante

FANKALAZANA NY FAHA-40 TAONAN’NY FIZAFATO : “Reseo amin’ny tsara ny ratsy”, hoy i Jean de Dieu Maharante

FANKALAZANA NY FAHA-40 TAONAN’NY FIZAFATO : “Reseo amin’ny tsara ny ratsy”, hoy i Jean de Dieu Maharante
juillet 30
11:19 2018

Ny tarigetran’ny Kardinaly Tsarahazana Désiré, “Reseo amin’ny tsara ny ratsy” no teny nentin’ny Filohan’ny FIZAFATO, na Fikambanan’ny zanaky ny Faritanin’ny Toliary, Jean de Dieu Maharante nanentanana ny mpiavy avy any amin’ny tanin’ny Masoandro izay milaravinahitra mba ho tanjona, nandritra ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny FIZAFATO, teo amin’ny ANS Ampefiloha. Midika ho fisokafana izany famerenana ny teny fanevan’ny Lehiben’ny Katolika eto amin’ny firenena Malagasy izay nataon’ity mafana fon’ny Fiangoanana Loteranina Malagasy ity. « Betsaka ny manenjika antsika fa resentsika amin’ny fanaovana ny tsara hatrany izany », hoy ity Minisitra izay manohana ny Fitondrana HVM ity. Ankoatra ny fanenjehana azy ho tsy nanaja ny fitsipika mifehy ny fikambanana fa tokony avy amin’ny Faritra hafa avy ao amin’ny Faritanin’ny Toliary no tokony nadimby azy, dia tsy azo hodian-tsy hita ny ady lahy politika tamin’ny fitokonan’ireo mpiasam-panjakana teo amin’ny Ministeran’ny Asam-panjakana teo aloha izay notantanany ka anisan’ny singa nentina nanesotra azy tao sy ny mbola fandavan’ireo mpiasa vitsy ao amin’ny Ministeran’ny Paositra sy ny Fampitan-davitra izay tantanany ankehitriny. Ny fihavanana, ny firaisankina, ny tsy fivakisan’ny fikambanana hatrany no tsy ambetitenin’ity Bevata an’ny Faritra atsimon’i Nosy ity.
Nampiray ny Malagasy ny lanonam-pankalazana.Tonga nifanotrona tamin’ny Filohany teo Ampefiloha, ankoatra ny nasaina izay nihoatra ny 6.000 isa, ny mpitantanana sy ny mpikambana FIZAFATO mpila ravinahitra eto Andrenivohitra sy any amin’ny Faritra maro ary any ivelany tahaka ny any Frantsa izay taranaka avy ao Toliary. Nahitana ireo mpanakanto, mpiasam-panjakana ambony akehitriny sy teo aloha, toa an’ny Praiminisitra Jean Ravelonarivo mivady. Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Jean Max Rakotonirina , ny Filohan’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy Alphonse Maka, ny Ambasadaoron’i Madagasikara any Canada sy ny rahalahiny ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ny mpikambana hafa ao amin’ny Governemanta ankehitriny, Henri Rabary Njaka, Lanto Rasoloherisoa, Riana Andriamandavy VII. Ity farany izay solotenan’ny avy ao Fianarantsoa. Teo ihany koa John Frince Bekasy, lehiben’ny zanaky ny avy any Avaratra. Azo lazaina fa vory lanona teo ny solontena manerana an’ny lafy valon’ny Nosy. Nirindra sy nilamina avokoa na ny sakafo, ny toerana, ny fety aman-danonana, ny dihy isam-paritra ao amin’ny Faritanin’ny Toliary, na dia roa herinandro fotsiny aza ny nanomanana izany arak any fanambaran’ny lehiben’ny Fikarakarana, Guy Laurent Ramanakamonjy, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Serasera. Manoloana ireo fitarainan’ny olompirenena sasany anefa, raha vao sehatra politika no lazaina dia toa resin’ny ratsy ny tsara, matoa mitana ny rambony i Madagasikara raha ny fandrosoana manerantany no asiana resaka.
Maminiaina URBAIN/ Haja NIRINA

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

août 2018
L Ma Me J V S D
« juil    
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031