FANGARAHARAHANA AMIN’NY FIFIDIANANA : Nampiofana ny ROHY hiady amin’ny famotsiam-bola ny SAMIFIN | Madatopinfo

Madatopinfo

FANGARAHARAHANA AMIN’NY FIFIDIANANA : Nampiofana ny ROHY hiady amin’ny famotsiam-bola ny SAMIFIN

FANGARAHARAHANA AMIN’NY FIFIDIANANA : Nampiofana ny ROHY hiady amin’ny famotsiam-bola ny SAMIFIN

FANGARAHARAHANA AMIN’NY FIFIDIANANA : Nampiofana ny ROHY hiady amin’ny famotsiam-bola ny SAMIFIN
juillet 30
11:15 2018

Niatrika fampiofanana avy tamin’ny SAMIFIN mikasika ny ady amin’ny famotsiambola ny hetsika ROHY nandritra ny 25 sy 26 an’ity volana ity. Ady amin’ny fomba ratsy sy ny kolikoly ary ny vola maloto mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana no tanjona amin’izany.
Tantsoroka. Vonona hiara-hiasa ka nampita fahalalana tamin’ny ekipan’ny tetikasa FANDIO sy FANOA, mikasika ny lalàna miady amin’ny famotsiam-bola maneran-tany, indrindra eto Madagasikara ny SAMIFIN. Teo amin’ny foiben’ireo tetikasa ireo ao amin’ny hetsika ROHY, Ambatonakanga no nanatanterahana izany fiofanana izany nandritra ny Alarobia 25 sy Alakamisy 26 Jolay farany teo. Nohadihadiana lalina ny fomba fanaovana ny famotsiam-bola sy ny ady atao manoloana izany, izay mpitranga amin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana toy izao, indrindra amin’ny fampielezan-kevitra. Tanjona goavana izany ka mila mitafy finiavana sy herimpo, indrindra ho an’ny firaisamonim-pirenena, tahaka ny ROHY. Ny famotsiambola izay taranja sarotra fehezina dia mitoetra hozava-baovao ho an’ny ankamaroan’ny olompirenena Malagasy. “Tsy mora ny ady amin’ny famotsiambola, indrindra amin’izao fiomanana amin’ny fifidianana izao. Tanjona amin’izany ady izany ny hananantsika mpitondra mendrika, itokisan’ny vahoaka, lany am-pahamarinana tanteraka ho fampandrosoana an’i Madagasikara tokoa.” Hoy i Emilson Rabemanjara, mpanolotsaina teknikan’ny SAMIFIN, raha nanaovan’ny mpanao gazetinay fanadihadiana manokana.
Marihina mantsy fa aoriana kely dia hiroso amin’ny fampielezan-kevitra sy fifidianana eto Madagasikara, raha ny daty navoakan’ny Governemanta izay mijoro ka tsy voakorotana sy tafahemotr’ireo hetsiky ny mpitaky ny fanorenana ifotony. Raha ny lalàna ankapobeny mifehy ny fifidianana vao nivoaka dia nametraka mazava tsara ny fametrahana ny mangarahara sy ny ady atao amin’ny famotsiam-bola izay manodidina izany fifdianana izany. Manoloana izay ny SAMIFIN, dia miara-miasa amin’ny sehatra rehetra eto anivon’ny firenena, vonona hametraka fiaraha-miasa ka hiray hina hiady amin’ny fampiasana vola maloto mandritra ny zotram- pifidianana. Ity fampiofanana ny ekipan’ny FANDIO sy FANOA ity dia fifanomezan-tanana amin’izany tanjona izany, hanara-maso akaiky mahakasika izay fifidiananana izay. Fanomezana fahalalana fototra an’ireo fiarahamonim-pirenena mpisehatra amin’ny fanarahamaso fifidianana mba hiatrika ny ady amin’ny kolikoly sy ny fomba ratsy fanao amin’ny fifidianana, amin’ny alalan’ny fampanenoana lakolosy na adisisika raha ahitana soritra endrika vola diovina anaty fampielezan-kevitra.
Fanabeazana
Hisorohana izany ady amin’ny famotsiambola izany dia hisy ny fanentanana ombam-pizaram-pahalalana hatao ho an’ireo kandida mba hametraka ny kaonty mangarahara ara-bola. Mampirisika ireo mpirotsaka ho fidiana sy ny antoko mpanohana azy ireny ihany koa hanara-dalàna, indrindra amin’ny fitantanana ny kaontim-bola hoentina mikasika ny fifidianana ny SAMIFIN sy ny tetikasa. Heverina fa fahombiazana sahady ho an’ireo manampanirina hofidiana mantsy raha mangarahara ny resa-bola, indrindra ny fiaviany, ny ampiasany izany ary ny tambiny. Mankahery azy ireo sahady ny ROHY sy ny SAMIFIN mba hanana herimpo handa raha misy tokoa izany vola mampiahiahy avy amin’ny afera maizina izany izay mena miraviravy hampiasaina amin’ny famatsiana ny fampielezan-kevitra sy ny laminasa mandritra ny fitondrana izay hijoro. Adidin’ny olom-pirenena rehetra ihany koa ny miady amin’ny fampiasana vola maloto, tsy amin’ny fifidianana ihany fa na mandritra ny fitondrana aza, indrindra izay mety ho fahita amin’ireo mpanohitra ihany koa. Tsy ny sehatry ny politika ihany no ahitana taratra famotsiam-bola fa ny lafiny fiharian-karena, ny asa fanasoavana, ny fivavahana.
Hajanirina

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

août 2018
L Ma Me J V S D
« juil    
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031