SABOTSY NAMEHANA : Nitokanana fotodrafitrasa maro tao amin’ny kaominina niaviany ny Filoham-pirenena | Madatopinfo

Madatopinfo

SABOTSY NAMEHANA : Nitokanana fotodrafitrasa maro tao amin’ny kaominina niaviany ny Filoham-pirenena

SABOTSY NAMEHANA : Nitokanana fotodrafitrasa maro tao amin’ny kaominina niaviany ny Filoham-pirenena

SABOTSY NAMEHANA :  Nitokanana fotodrafitrasa maro tao amin’ny kaominina niaviany ny Filoham-pirenena
juillet 25
15:24 2018

Nahalatsahan’ny tavony ! Tsy diso anjara tamin’ny fampandrosoana izay efa vitan’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina ny mponina teo aminy fokotanin’Antsofinondry izay niaviany, ny Alarobia 25 Jolay 2018. Zava-dehibe hoy ity zanak’avaradrano ity ny fisian’ny toeram-pihofanana havolenta ho an’ny vehivavy na ny “Centre de formation professionnelle pour les femmes” eo amin’ny fokontany iray satria miainga amin’ny any ifotony no hafahana mitondra makany amin’ny fampandrosoana ny firenena. Ny « CFPF » na « Centre de formation professionnelle pour les femmes » moa dia ahitana fampianarana mahandro sakafo sy ny manodidina ny lakozia,eo ihany koa ny fampianarana manjaitra ary ny farany dia ny fikirakirana ny zaridaina sy ny fomba fikajiana ny tontolo iainana.Teo anilan’izany rehetra izany dia nitokana ny tsena vaovao teo amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana koa ny tenany ary ny namaranany azy dia ny lalana izay mampitohy ny any ambatofotsy sy ny lalam-pirenena fah-3.Teo ampikabariana moa ny Filohan’ny Repoblika dia nanamafy fa tsy hifarana eto akory ary tsy voalohany no nisian’izao fananganana sy fanatsarana foto-drafitrasa izao fa mbola maro hoy izy ny fifanapiana. Izao angamba ilahy hoe farany amin’ny fitondrana vao misy vetiny ve? Marihina moa fa fifaninana masina ny fananganana CFPF satria efa nitokanana tamin’ny fandalovan’ny Sekretera Jeneralin’ny ONU tamin’ny roa taona ny tao Tsimbazaza, izay fokontany fiavian’ny vadiny sy itoeran’izy ireo ankehitriny.
AINA / Haja NIRINA

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

août 2018
L Ma Me J V S D
« juil    
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031