RAHARAHAM-PIRENENA : Hidina andalam-be ny hetsika fanorenana ifotony | Madatopinfo

Madatopinfo

RAHARAHAM-PIRENENA : Hidina andalam-be ny hetsika fanorenana ifotony

RAHARAHAM-PIRENENA : Hidina andalam-be ny hetsika fanorenana ifotony

RAHARAHAM-PIRENENA : Hidina andalam-be ny hetsika fanorenana ifotony
juillet 23
16:00 2018

Hanohy ny fitokonana eny amin’ny Kianja ireo mpanao politika mitaky ny fanorenana ifotony, miantso ireo mpitaky sendikaly hatrany izy ireo hanatevina ny tolona andalam-be ny talata 24 Jolay izao. Tsy tonga hatrany amin’ny tanjon’ny hetsika ireo Solombavambahoaka 73, hoy hatrany ireo mpitari-tolona ao amin’ny hetsika fanorenana ifotony na HFI, fa nony nahazo toerana izy ireo dia nangina, hoy hatrany izy ireo izay nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny 20 Jolay 2018, teo Antaninarenina. Anisan’ny ao anatin’ny lohandohan’ny mpisorona ny mpanao politika tahaka an’i Pety Rakotoniaina, ny avy amin’ny mpitatitra izay mandà ny ho eny Ambohimanambola sy Andohatapenaka.
Etsy andaniny anefa dia lazain’ny ekipan’ny kandida mpanohitra efa vonona hirotsaka sy efa manao fampielezankevitra mialohan’ny fotoana fa ny fitondram-panjakana no ao ambadiky ny hetsika mba hihemoran’ny fifidianana sy hijanonan’ny Filoha ankehitriny eo amin’ny toerany maharitra. Ny 7 Septambra ho avy izao mantsy no tsy maintsy mametra-pialana ity farany raha vonona hirotsaka ho fidiana. Ny fampielezankevitra mandoka an’ny Filohan’ny Repoblika tahaka ny fitanisana amin’ny haino aman-jery ny zavabita nandritra ny fitondrany. Marihina anefa fa tsy vola ampaosin’ny Filoha ny nanaovana ireny fotodrafitrasa ireny fa volam-bahoaka. Etsy andaniny koa ny kandida hafa, tahaka an’ny Filohan’ny Tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina efa mampanantena ny ho fanaovana fotodrafitrasa amin’ny fampafantarana ny IEM.
Haja Nirina

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

décembre 2018
L Ma Me J V S D
« nov    
 12
3456789
10111213141516
17181920212223
24252627282930
31