GOVERNEMANTA NTSAY : Mihivingivina ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny ROHY manolona ireo Minisitra voatendry | Madatopinfo

Madatopinfo

GOVERNEMANTA NTSAY : Mihivingivina ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny ROHY manolona ireo Minisitra voatendry

GOVERNEMANTA NTSAY : Mihivingivina ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny ROHY manolona ireo Minisitra voatendry

GOVERNEMANTA NTSAY : Mihivingivina ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny ROHY manolona ireo Minisitra voatendry
juin 19
14:31 2018

Mahalasa fisainana sy mampametra-panontaniana ny Hetsika ROHY ny Goverrnemanta vaovao izay natokana hanomana fifidianana : “Izy nantenain-kanirina indray no nampivandravandra : Governemanta loza mihatra no atolotra ny vahoaka ! Azo antenaina ve fa hitantana ny firenena ara-drariny ary hanomana sy hiara-misalahy amin’ny CENI amin’ny fanatanterahana ny fifidianana tsy mitanila sy ho eken’ny rehetra izay hany dingana voalohany sy manan-danja amin’ny famahàna ny krizy ny fametrahana ity Governemanta misy lokon’ny mpanao politika HVM, MAPAR sy TIM ity ?” ireo ny fandinika sy fanontanian’ny ROHY manoloana ny governemanta ankehitriny, araka ny fanambaran’izy ireo tamin’ny mpanao gazety ny tapaky ny volana Jona teo, tao amin’ny Foiben’ny ROHY Ambatonakanga. Koa manoloana izany dia manao teny tsy misorona ity Hetsika Ambatonakanga ity ary mampiseho ny fahamalinany manoloana ny ronono an-tavy sy ny volana an-tenda mampandry adrisan’ireo antoko politika izay manao tohatra fiakarana ny olom-pirenena ho amin’ny tombotsoan’ireo mpanao politika. Tsy mihafihafy ny Fiarahamonim-pirenena mivondrona ao amin’ny ROHY manohy ny fanehoan-keviny : “Tena mbola lavitra ny mpanao politika sy ny tompon’andraikitra ambony eto amintsika ny fananana “fahamboniam-pijery sy fomba fisaina eo anivon’ny antoko sy mpitarika politika” manome lanja ny tombontsoan’ny firenena sy ny Malagasy. Ny tombontsoan’ny antokony sy ny tenany manokana fotsiny ihany no arovany, dia any ivohony toy ny “satana” ny vahoaka mitrongy vao homana mora ahodikodina amin’ny fomba fiteny tsara lahatra. Aoka mba ho mailo sy ho fay isika olompirenena !”

Novakian’ny ROHY batsilana ny fifanarahana maizina amin’ny lafiny politika ka nahatonga ny fitsanganan’izao governemanta izao : “Araka izany, mangataka izahay ny hisian’ny mangarahara momban’ny fifanarahana politika “Accord politique” nahatongavana amin’io Governemanta izay tena mampivalaketraka, Governementa izay handrindra ny fiainanay olompirenena sy ny vahoaka manontolo. Aoka havoaka ampahibemaso ho ren-tany sy ren-danitra ilay fifamatorana, hahitana ny sonian’ny tompon’andraikitra tsirarairay avy. Izany koa dia araka ny fanambarana nataon’ny Filohampirenena tao aorianan’ny nanendrena ireo Mpikambana ao amin’ny Governemanta.”
Tsy nihambahamba ny ekipan’ny ROHY nitsikera ireo olom-boatendry na “mpanao politika izay efa tsy nisy vokatra tsara mba azony tamin’ny fotoana efa nitantanany hatramin’izay nefa dia voatendry ihany hisahana ireo Minsitera stratejika misahana ny otrikarena, ny hery ara-toekarena sy ny varotra, ny fifandraisan-davitra sy ny serasera, sns. Efa fantam-poko, fantam-pirenena ary andrasan’ny rehetra ihany koa ny mety ho fomba fiasany sy ny fanararaotam-pahefana hataony mandritra io fotoana fohy hitantanany io mba ahazoana tombontsoa manokana sy hanangonana ny ho enti-manana hiatrehana ny fifidianana na ho an’ny antoko sy ny lehibeny na ho azy manokana. Azo an-tsaina sahady ny fifandrombahana teo amin’ny “fizarana seza”mba ifehezana ireo Ministera stratejika misahana ny harena an-kibon’ny tany, ny fananan-tany, ny sisin-dranomasina sy ny jono, ny indostria sy ny varotra, ny tontolo iainana sy ny ala, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, ny serasera, sns. Raha jerena mantsy ny andraikitra tokony raisina amin’ireo ministera ireo sy ny “profil” na toetoetra na fahaiza-manao sy traikefa ananan’ireo voatsonga hitantana izany dia azo ambara tsy ampihambahambana fa tsy hahavita velively ny andraikiny ireo voatendry ireo ary tsy misy azo anamarinana ny fanendrena azy ho “tombotsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka” fa dia ny hoe avy amin’ny antoko atsy sy zaroa ary fanta-daza amin’ny fiarovana izay tombontsoan’antoko izay “Ady seza sy fizaran-tseza izay efa nampitandremana ny Praiministra !”. Hoy ny ROHY arak any hafatra ho an’ny mpanao gazety.
Tolo-tanana
Tsahivina anefa fa nampanatena ny ho fiaraha-miasa amin’ny fifidianana tsy mitanila ny ROHY araka ny fanambaran’izy ireo. “Fehiny, fa na inona na inoana miseho, ny Firaisamonim-pirenena indrindra ny ato amin’ny hetsika ROHY dia vonona ny handray andraikitra ary hifanampy amin’ireo izay vonona fa tsy hitanila, tsy hiandany ara-politika ary “marina/intègre” mandritra io fotoana fanomanana sy fanatanterahana fifidianana io mba ahafahany manatanteraka ireo asa makadiry izay andrasana aminy an-tsakany sy an-davany. Tsindrianay foana ihany koa fa anisan’ny fomba fiasan’ny firaisamonim-pirenena anatanterahany izany andraikiny izany ny fitondràna tsikera sy soso-kevitra ary fiaraha-miady hevitra izay indraindray mety hanana endrika fanoherana ny fanapahan-kevitra na ny asa sy ny fomba fiasa heverinay fa tsy mifanaraka amin’ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny Malagasy.” Marihina hatrany moa fa tsy miraviravy Tanana ireo mpikambana amin’ny Hetsika ROHY hiatrika ny fifidianana na izao aza ny zava-mitranga tamin’ny fanendrena ireo Minisitra izay isahana ny fampandehanana ny fifidianana. Etsy andaniny anefa tsy manaiky ny hidiran’ny antoko politika hafa ireo nitolona teny an-kianja fa noho ny fanovana nimatimatesan’izy ireo no nahatonga izao fanovana governemanta izao ka tsy manaiky ny idiran’ny hafa anaty governemanta izy ireo satria mihevitra izy ireo fa izy mpitolona no namono ny voay k any hafa no mitady hiravaka ny vanginy. Ny fitondrana izay mijoro ankehitriny koa izay mihevitra fa voafidim-bahoaka dia miezaka mitazona ireo Ministera statejika. Na ireo mpitolona amin’ny 13 Mey koa aza dia mitady izay hanilihina tanteraka ireo ekipan’ny “Fehitenda manga” ao amin’ny governemanta Ntsay.

Haja Nirina

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

juillet 2018
L Ma Me J V S D
« juin    
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
3031