MCI: “Aza atao fitaovana politika ny vahoaka” | Madatopinfo

Madatopinfo

MCI: “Aza atao fitaovana politika ny vahoaka”

MCI: “Aza atao fitaovana politika ny vahoaka”

MCI: “Aza atao fitaovana politika ny vahoaka”
juin 01
08:49 2018

Taorian’ny 21 aprily, maro ny mpanao politika fikambanana, na ny olon-tsotra maneho hevitra mikasika ny raharaham-pirenena. Tao ireo nanao fanambarana manohana ny hetsiky ny Solombavambahoaka 73, tsy vitsy ihany koa ireo manohitra izany. Ny Mouvement des Citoyens contre L’inflation (MCI) naHetsiky ny olompirenena manohitra ny fiakaran’ny vidim-piainana izay hivondronan’ireo olompirenena maro an’isa mangina na “majorité silencieuse”, hikambanan’ireo olon-tsotra sy fikambanana maromaro. “Tsy manaiky ny hitondrana ny Malagasy hifampiantsy sy ny fanakorontanana misy eto amin’ny firenena. Miantso ny olompirenena rehetra ihany koa izahay tsy hanaiky atao fitaovana politika fa hibanjina hatrany ny tombotsoa iombonana”, araka ny fanambarana nataon’ny MCI izay notarihin’ny Filoha mpanorina Lalaina Razafindralambo. Ho azy ireo, ny fahantrana no fahavalo goavana amin’izao fotoana izao ary izany no tena mankarary ny vahoaka Malagasy. Fokontany 45 teto Antananarivo no efa voatetin’ity fikambanana ity nampahafantarana sy nitondrana fanazavana ho an’ ny olompirenena tsirairay izany. Efa misy rantsa-mangaika any amin’ny Faritra ihany koa MCI ary mbola hisy ny diabe izay hataon’izy ireo tsy ho ela.

Mickah Raharisoa

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

octobre 2018
L Ma Me J V S D
« sept    
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
293031