VONDRONA AFRIKANA SY NY FADINTSERANANA: Nanomana atrikasa hanamoràna ny fifanakalozana | Madatopinfo

Madatopinfo

VONDRONA AFRIKANA SY NY FADINTSERANANA: Nanomana atrikasa hanamoràna ny fifanakalozana

VONDRONA AFRIKANA SY NY FADINTSERANANA: Nanomana atrikasa hanamoràna ny fifanakalozana

VONDRONA AFRIKANA SY NY FADINTSERANANA: Nanomana atrikasa hanamoràna ny fifanakalozana
mai 11
12:09 2018

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Alarobia lasa teo tetsy Antaninarenina ny atrikasa mikasika ny drafitra ho fanamoràna ny fifanakalozana ara-traikefa ao anatin’ny Vondrona Afrikana. Tonga nanome izany lanonam-panokafana izany ny Ministry ny Vola sy ny Fitantanam-bola, Vonintsalama Sehenosoa Andriambololona niaraka tamin’ireo solotenan’ny fadintseranana maromaro aty amin’ny firenena Afrikana. “Anton’ny fivoriana ny ametrahana paikady, fampiraharahana entina hanafainganana sy hanamorana ny fivezivezen’ny entana amin’ny tany tsirairay. Zava-dehibe tokoa ity atrikasa ity satria hampitombo ny varotra ny fivezivezen’ny entana manerana ny Afrika”, hoy ny Ministry ny Vola sy ny Fitantanam-bola. Tamin’ireo fotoana nanatanterana ny fivoriana ireo no nahafahana nikaon-doha, nijery ireo paikady mikasika ny fifanakalozana malalaka. Maro ireo mpandray anjara tamin’ity atrikasa nokarakarain’ny Vondrona Afrikana ity teto Madagasikara. Anisan’izany ny solotenan’ny fadintseranana avy any Cameroun, nomarihiny nandritra ny fandraisam-pitenenany fa tsy hihoatra ny 20 isan-jato ny tahan’ny fifanakalozana ara-barotra eto amin’ny firenena Afrikana.
Indraim-bava kosa mahakasika ny fitokonan’ny mpiasan’ny fadintseranana any Toamasina. “Mba hamaliana ny hetaheta sy hanajàna ny zon’ny mpanjifa na dia eo aza ny fitokonana ataon’ny mpiasa, dia tsy maintsy nisy fepetra efa noraisina indrindra amin’ny resaka fandriampahalemana ao anatin’ny faritry ny fadintseranana any an-toerana satria misy ny fitaovana saro-pady”, hoy ny Tale Jeneralin’ny fadintseranana Eric Narivony Rabenja.

Mickah Raharisoa

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

juillet 2018
L Ma Me J V S D
« juin    
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
3031