AIR MAURITIUS: Mihena 20% ny tapakila | Madatopinfo

Madatopinfo

AIR MAURITIUS: Mihena 20% ny tapakila

AIR MAURITIUS: Mihena 20% ny tapakila

AIR MAURITIUS: Mihena 20% ny tapakila
mai 05
08:57 2018

Fahatelony izao no handraisan’ny zotra-piarahamanidina Air Mauritius anjara amin’ny Foire Internationale de Madagascar (FIM). Antony iray handraisan’ity zotra iray anjara matetika ny fisian’ny vokany aoriana na mandritra ny hetsika. Tsy mitsahatra ny manome fahafaham-po ho an’ny mpanjifa hatrany ihany koa ny Air Mauritius. Amin’ity andiandiany faha-13 ny FIM 2018 ity, manome tolotra vaovao be, misy fihenambidy 20 isan-jato ny vidin’ny tapakila rehetra mandritra ny efatra andro. “Vao voalohany izao izahay no nanome tolotra tahaka ity, ho an’ny Dubai: raha 3.300.000 Ariary no vidin’ny tapakila amin’ny andavanandro, lasa 1.590.000 Ariary izany mandritra ny FIM”, hoy ny tomponandraikitry iray ao amin’ny Air Mauritius Lilia Mika.
Miisa 24 izao no toerana iadidian’ity zotra-piaramanidina ity amin’izao fotoana izao izay mivelatra any Erôpa, Ranomasimbe Indiana, hatrany Azia sy Sina rehetra iny. “Raha oharina amin’ny Kaompany hafa, mampiavaka anay ny fahazoana mari-pankahasitrahana mikasika ny hatsaràn’ny kalitao, na amin’ny fandraisana olona izany na ireo fandraisana andraikitra isan-karazany”, araka ny fanampim-panazana hatrany. Tsy hijanona hatreo anefa izany tolotra ho an’ny mpanjifa izany fa mbola hitohy hatrany izany ho an’ny Air Mauritius.

Mickah Raharisoa
AIR MAURITIUS

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

novembre 2018
L Ma Me J V S D
« oct    
 1234
567891011
12131415161718
19202122232425
2627282930