TANORA TSY MIAMBOHO ADIDY : Lalam-pifidianana hiaraha-midinika sy fifidianana ihany no ivoahana amin’ny krizy | Madatopinfo

Madatopinfo

TANORA TSY MIAMBOHO ADIDY : Lalam-pifidianana hiaraha-midinika sy fifidianana ihany no ivoahana amin’ny krizy

TANORA TSY MIAMBOHO ADIDY : Lalam-pifidianana hiaraha-midinika sy fifidianana ihany no ivoahana amin’ny krizy

TANORA TSY MIAMBOHO ADIDY : Lalam-pifidianana hiaraha-midinika sy  fifidianana ihany no ivoahana amin’ny krizy
mai 03
11:07 2018

Manao antso avo amin’ny ireo olom-boafidy na olom-boatendry eo amin’ny fitondrana sy ny mpanohitra ary ny ankolafy rehetra omban’ny mpiantsehatra amin’ny raharaham-pirenena ny «Tsy miamboho adidy» fa manana andraikitra amin’izao savorovoro ankehitriny izao izy ireo. Ny fiverenan’izy rehetra ireo an-databatra boribory handinika indray ny lalam-pifidianana izay fototry ny disadisa ankehitriny ho lalan-kizorana hiantoka ny fitoniana, ho amin’ny fifidianana ahafahan’ny olom-pirenena mifantina izay hitondra azy ireo no hafatra mafonjan’ity fivondronan’ny fikambanan’ny tanora ity.

Savorovoroan-kilantoana! «Fantatra fa ny lalàm-pifidianana no fototry ny olana ankehitriny amin’ny sehatry ny raharaham-pirenena, ka mba hivoahana amin’ny krizy dia mampirisika izahay mba hiverenana ho dinihina indray ireo lalàm-pifidianana ireo ary hiroso haingana amin’ny fifidianana isika”. Io ny fanambaran’i Erico Randriarimalala, tomponandraikitra iray, ao amin’ny fivondronan’ny tanora izay misalotra ny anarana hoe : “Tsy miamboho adidy”, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, ny Zoma 27 Aprily farany teo, tao Ambohijatovo. «Ny tanjonay amin’ity fanatambarana ny herinay tanora ity dia ho amin’ny fandraisana andraikitra sy tsy fiambohoana adidy. Fanirianay ny mba hisy fifidianana milamina, tsy hiala amin’ny Lalampanorenana. Melohanay ny fanampahankevitra tsy ara-dalàna miala amin’izay voalazan’ny Lalampanorenana izay tahaka ny fiheveran-dison’ny sasany ho any amin’izany fiahara-mitanta izany.» Hoy hatrany ity mpiandraikitra tanora ity manohy ny fitenenany. Tokony hatao vaindohan-draharaha ny fampihaonana ireo lohandohan’ny mpisorona avy amin’ny fitondrana izay mijoro sy ireo mpanohitra ny volavolan-dalam-pifidianana vaovao izay natao amboletra, araka ny hevitr’ireto fikambanana tanora ireto. Anisan’ny dingana arahina, araka ny vinavinan’izy ireo ka noantitranterin’izy ireo hatrany, ny fijerena akaiky izay ho lalàm-pifidianana eken’ny rehetra, hany lalan-tokana mitondra amin’ny fitoniana eto amin’ny firenena.
Manoloana ny savorovoro izay diavina eo amin’ny raharaham-pirenena, nitaky ireto vovonan’ny fikambanan’ny tanora amin’ny sehatra samihafa ireto mba hotanteraka antsakany sy andavany ny fanirian’izy ireo tahaka : “Ny hahafahana mamarana ny taom-pianarana eny amin’ny any amin’ny ambaratonga rehetra hatramin’ny anjerimanontolo am-pitoniana; ny hitsaharan’ny ahiahy ny amin’ny mety ho fahaverezana asa; ny hanafoanana ny fitrandrahana tsy ara-drariny sy tsy ara-dalàna tafahoatra ny harem-pirenena na ambony na ambanin-tany; hiaina anaty fandriampahalemana sy filaminana; hanafoanana tanteraka ny kolikoly sy ny fanararaotam-pahefana maro samy hafa; ny hampanjakana ny fitondrana tsara tantana ka hanjakan’ny Rariny sy ny Hitsiny eo amin’ny fiainana andavanandron’ny Malagasy amin’ny ankapobeny sy ny tanora manokana”. Araka ny fanambaran’i Harnelle Rakotobe, mpikambana ao amin’ny “Tsy miamboho adidy”.

Ny “Aina” no harena sarobidy indrindra
Nanisy tsindrimpeo izy ireo, araka ny fanambarany fa ny Aina no harena lehibe indrindra ary tsy azo ekena intsony ny fanaovana ny tanora ho fitaovana politika ka atao sorona ho tombotsoa manokan’ireo mpanao politika vitsy an’isa. Anjaran’ny Fitsarana no manatanteraka ny asany mikasika ny fanamelohana izay tomponandraikitra voalohany tamin’ny tranga farany teo, ny 21 Aprily ,teny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey ka naharatrana sy nahafatesana olona. Manao antso avo hatrany ireto vondrona fikambanana tanora ireto mba tsy hisy intsony ny zavadoza mamohehitra tahaka ireny amin’ny ho avy. Tsy kolontsainan’ny Malagasy mantsy, hoy hatrany ny fiheveran’izy ireo, ny famonoana sy ny fandratrana olona. Ho vahaolana, anisan’ny petra-kevitra lehibe amin’izany, araka ny fandinihin’izy ireo, ny tsy ho variana hifanditra mijery ny lasa fa ny famaritana sy ny fibanjinana ny ho avy, izay no tena tarigetra ivoahana amin’ny sakoroka politika, raha ny fomba fijerin’izy ireo. “Manolo-tena izahay amin’ny fanentanana sy fanetsehana ireo tanora mitovy aminay sy ireo olom-pirenena fa anio Madagasikara no mamaritra ny hoaviny ary ny tanora dia tompon’andraikitra feno amin’izany”. Hoy i Ny Aina Rahagalala, nanohy ny fanambaran’ireto vovonan’ny tanora ireto tamin’ireo mpampita vaovao.
Notsindrian’izy ireo fa zo tokoa ny maneho hevitra an-kahalalahana fa tokony manaraka ny lalàna anefa amin’izany, na ho an’ny andaniny na ho an’ny ankilany. “Fahafahana maneho hevitra ekena. Ny tsy filaminana sy ny korontana tsy ekena.” Hoy i Erico Randriarimalala, nanohy ny fanazavany. Tsy hanelanelana mikasika ny fifandirana misy eo amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra momba ny lalam-pifidianana aloha hatreto ny vinan’ny tanoran’ny “tsy miamboho adidy” fa miantso ny mpanao politika mba hifampiresaka an-databatra boribory. Tsara marihina moa fa ireto vondrona fikambanana tanora ireto, ao anatin’ny “Tsy miamboho adidy”, amin’izao fanombohana ny fanatambarana ny herin’ny tanora izao, dia ahitana ny: ONG Tolotsoa, MIEL (Mouvement pour l’Intégrité des Elections et des Leaders), RCOI (Réseau Climat Océan Indien), Y4D (Youth for development), PNJ (Parlement National des Jeunes), Green N Kool, AEDM (Association des Etudiants en Droit à Madagascar), YMCA (Young Men’s/women’s Christian Association)/ROHY, JAI-Association (Jeune Actif Interrégional)/ROHY, JEMA (Jeunesse En Mouvement Analamanga)/ROHY, Generation Citizen, Civilian Madagasikara, Tsiafara Manakara, YALI Madagascar. Mbola manentana ireo olontsotra na fikambanan’ny tanora hanamafy hatrany izao vovonana izao ireto mpamaky lay sy mpitrandraka tany vao ireto. Miantso hatrany ny tanora namany izy ireo mba handray andraikitra amin’ny fiainam-pirenena ankapobeny. Marihina moa fa miezaka ny ho elanelam-panahy ireto tanora mahaleo mahalasana ireto ka tsy miandany afatsy ny ho amin’ny fifidianana milamina sy tony hatrany. Ahiahin’ireo tanora rehetra anefa matetika ny tsy fijerena akaiky ny hevitr’izy ireo, indrindra amin’ny sehatra politika amin’ny alalan’ny fiheverana azy ireny ho “tanora fanahy” na “mpitovo mananatra ny mpanana”.
Haja Nirina

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

septembre 2018
L Ma Me J V S D
« août    
 12
3456789
10111213141516
17181920212223
24252627282930