FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA : Efa vonona ara-teknika ny CENI | Madatopinfo

Madatopinfo

FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA : Efa vonona ara-teknika ny CENI

FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA : Efa vonona ara-teknika ny CENI

FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA : Efa vonona ara-teknika ny CENI
avril 27
15:56 2018

Na dia eo aza ny tsy filaminana ara-politika misy eto amintsika ankehitriny, dia mbola mitohy hatrany ny fampandehanan-draharahan’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI eo amin’ny fanomanana ny fifidianana araka ny tokony ho izy. « Mbola manan-kery ny lalàna amin’izao fotoana izao ary mbola io no hampiarinay hanatontosana ny raharaha rehetra », hoy ny nambaran’i Hery Rakotomanana Filohan’ny CENI omaly tetsy Nanisana. Tsy maintsy miroso amin’ny fifidianana hatrany na dia mety hisy ary ny fitondrana miaramila. Manaiky ny fahavonononany ara-teknika ny CENI raha toa ka ao anatin’ny roa volana aza no hanatanterahana izany satria efa nihomana nandritra ny roa taona izy ireo. “Fa miteraka fandaniam-bola betsaka kosa raha ny fanatanterahana ny fifidianana toa ka lany ilay lalàna nofidiana farany teo teny anivon’ny Antenimierampirenena teo iny. Raha ny lalàna iainantsika amin’izao fotoana izao anefa, dia azo heverina fa tsy hisy ny fampiasana volabe”, hoy hatrany ny Filohan’ny CENI.
Fiaraha-miasa
Tsy vitan’ny CENI samirery ihany ny fanatontosana ny fifidianana, misokatra ho an’ny rehetra ity Vaomiram-pirenena ity. Marik’izany, nisy ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa omaly teny Nanisana teo amin’ny fikambanana fiarahamonim-pirenena TAFITA (Tamajotra Ametrahana Fifidianana Iraisana sy Tsara Antoka), Rahasimbola Andriantsoa sy ny Filohan’ny CENI Hery Rakotomanana. Nifanaiky ny roa tonta fa hiara-hiasa amin’ny fanabeazana sy ny fanentanana ara-pifidianana ny olom-pirenena, ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpikamban’ny OSC (Organisation des Sociétés Civiles), ny fanatsarana ny fanaraha-maso ny fifidianana sy ny ady amin’ny kolikoly ary ny fitadiavana famatsiam-bola amin’ireo sehatr’asa ireo.
Miezaka hatrany ny CENI hanantanterahana ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra eto amin’ny firenena.

Mickah Raharisoa

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

août 2018
L Ma Me J V S D
« juil    
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031