RAHARAHAM-PIRENENA: Nanao antso avo ny Filoha Nasionalin’ny Antoko MAEVA, Mamy Nirina Raharimanana | Madatopinfo

Madatopinfo

RAHARAHAM-PIRENENA: Nanao antso avo ny Filoha Nasionalin’ny Antoko MAEVA, Mamy Nirina Raharimanana

RAHARAHAM-PIRENENA: Nanao antso avo ny Filoha Nasionalin’ny Antoko MAEVA, Mamy Nirina Raharimanana

RAHARAHAM-PIRENENA: Nanao antso avo ny Filoha Nasionalin’ny Antoko MAEVA, Mamy Nirina Raharimanana
avril 24
08:03 2018

Ry olompirenena mpiray tanindrazana! Manoloana ny savorovoro sy toe-draharaha niseho ny Sabotsy lasa teo, miantso ny olompirenena rehetra eto amin’ny tany sy ny Firenena mba ho tony, hanana fahendrena, hahay handinika sy hamakafaka ny raharaham-pirenena, hahay ahafantatra ny tantara. Tsy mankasitraka velively ny hilalaovana ara-politika ny olompirenena Malagasy ny tenako.

Ny antoko politika MAEVA (MAdagasikara Endrika VAnona) dia manameloka tanteraka ny fampiasan-kery sy ny famoretana ny olompirenena Malagasy ary indrindra ny fandatsahan-drà ny ain’ny mpiray tanindrazana. Koa samia tomponandraikitra avokoa ny andaniny sy ny ankilany fa tsy hifanilika andraikitra eto amin’ny toe-draharaha miverimberina tahaka izao. Aza atao fitaovana toa izao intsony ny olompirenena Malagasy.

Manoloana ny namoizana ny ain’ny mpiray tanindrazana, dia miondrika tanteraka eo anatrehan’ireo fianakaviana mana-manjo ny tenako, Filoha Nasionaly Antoko MAEVA, Mamy Nirina Raharimanana sy ny mpiara-dia amiko; ary ihany koa mitondra ny teny fampiononana sy fampaherezana ho azy ireo. Ho an’ireo izay naratra, nitondra takaitra dia mirary fahasalamana sy fahasitranana tanteraka ho azy ireo.

Miantso ny rehetra ireo Ray aman-dreny ary indrindra ireo tanora Malagasy, taranaka fara aman-dimby ho tomponandraikitra feno amin’ny maha-olompirenena azy.

Miantso ihany koa ny tomponandraikim-panjakana mba hanana fahendrena feno amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny zava-misy sy ny fahasarotana ara-politika sy sosialy eto amin’ny Firenena.

Miantso ny tomponandraikitry ny filaminana amin’ny ankapobeny: ny tafika, ny zandary, ny polisy mba tena ho tandroka aron’ny vozona tokoa izy ireo. Tsy hanao herim-pamoretana sanatria fa hanana fahendrena amin’ny fandraisana fananapahan-kevitra izay tandrify azy manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaha politika amin’izao fotoana izao.

Miantso ny Ray aman-dreny ara-panahy rehetra hitondra am-bavaka, hanara-maso sy hijery akaiky ary hanolo-tsaina raha ilaina izany.

Miantso ny tomponandraikitra politika rehetra tsy ankanavaka na iza na iza: na ny fitondrana ankehitriny na ny mpanohitra na ihany koa ny olompirenena maneho hevitra, hanana fehendrena eo anatrehan’izao toe-java-misy ara-politika izao.

Miantso ny olompirenena Malagasy hitondra am-bavaka ity firenentsika ity.

Masina ny Fireneko!

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

mai 2018
L Ma Me J V S D
« avr    
 123456
78910111213
14151617181920
21222324252627
28293031