CNTMAD: Ivon-toeram-pampianarana ambony manenika Distrika 44 | Madatopinfo

Madatopinfo

CNTMAD: Ivon-toeram-pampianarana ambony manenika Distrika 44

CNTMAD: Ivon-toeram-pampianarana ambony manenika Distrika 44

CNTMAD: Ivon-toeram-pampianarana ambony manenika Distrika 44
avril 16
06:02 2018

Fomba iray entina hampandrosoana ny firenena iray ny fahaizan’ny olona ao aminy. CNTMAD (Centre National du Télé-Enseignement de Madagascar) , oniversitem-panjakana ampitain-davitra, mananaivon-toerana 44 manerana ny Nosy. Vao napetraka ny 12 sy 13 Aprily lasa teo ny ivon-toerana tao Mananara Avaratra. Feno 25 taona nijoroana tamin’iny taon-dasa iny ary azo lazaina ho anisan’ireo manana traikefa amin’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ity oniversite ity. “Manamora ny fitadiavan’ireo mpianatra vao afaka bakalorea na ireo am-perinasany CNTMAD, ary ihany koa tafiditra ao anatin’ny oniversite manakaiky ny vahoaka”, hoy ny Tale Jeneralin’ny CNTMAD Djohary Andrianambinina.

Ahitan asampam-pianarana valo ao amin’ity ivon-toeram-pampianarana ambony ity amin’izao fotoana izao, nyDroit, Gestion, Informatique, commerce, communication, Génieindustriel, Science politique ary ny télécommunication. Manodidina ny 17.000 no manovo fahalalana ao ankehitriny na ireo efa miasa na ireo mbola manohy ny fianarana. “Anisan’ny mampiavaka ny CNTMAD ny fahafahan’ny olon-drehetra mianatra ato am-pahalalahana tanteraka izany hoe afaka mianatra amin’ny fotoana izay mampety azy ny tsirairay”, hoy hatrany ny fanampim-panazavan’ny Tale Jeneraly. Manana “habilitation” roa isaky ny “filière” ity oniversitem-panjakana ity ka 16 noho izany no isan’ny “habilitation” ao @CNTMAD.

Mbola manam-pikasàna ny CNTMAD hanitatra ity sekoly ambony ity erak’i Madagasikara.

cntmad

CNTMAD Ankadifotsy

Partager

Articles connexes

Archives

avril 2018
L Ma Me J V S D
« mar    
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
30